Archives quotidiennes: 19 octobre 2017

CFM : mila hampafantarina ny vahoaka ny lalàna mifehy ny fampihavanam-pirenena

0
Mila hampafantarina ny vahoaka Malagasy tsy ankanavaka ny lalàna mifehy ny fampihavanam-pirenena mialohan'ny hirosoana amin'ny dingana fampihavanana marina araka ny nambaran'ny filohan'ny CFM io maraina io, nandritra ny fifamindram-pahefana teo amin'ny filohan'ny FFM teo aloha sy ny filohan'ny CFM vaovao. Lafin-javatra maro ihany koa no tsy maintsy jerena amin'ny fanatanterahana izany fampihavanam-pirenena izany.  

CENI : Efa vonona ny fanomanana fifidianana amin’ny taona 2018

0
Efa vonona avokoa ny fanomanana rehetra hahafahana miatrika ny fifidianana amin'ny taona 2018. Ny daty avy amin'ny governemanta sy ny karazam-pifidianana sisa andrasana. Ireo no nambaran'ny CENI omaly maraina nandritra ny fihaonana isam-bolana eo amin'ity Vaomiera Mahaleotena mikarakara ny fifidianana ity sy ny mpanao gazety.