dimanche 05 mai 2024
Accueil 2018 juillet

Archives mensuelles: juillet 2018

Dinan’ny Melaky : naverina napetraka indray tamin’ity androany ity

0
Naverina napetraka indray ny dinan'ny tsy mimpoly tao an-tampotananan'i Maintirano tamin'ity androany ity. Tapa-kevitra tanteraka amin'ny famerenana ity dina ity ireo mponina any an-toerana mba hamerenana indray ny fandriampahalemana any amin'iny faritra iny.

SSM : manaraka akaiky ny fitoriana napetraka teny amin’ny Bianco

0
Afaka 2 herinandro no ho fantatra ny ampahany amin'ny valin'ny fitoriana napetraky ny solidarité syndicale de Madagascar teny anivon'ny Bianco. Izay no isan'ny nivoitra nandritra ny fihaonana teo amin'ny roa tonta ny marainan’ny Zoma faha-13 jolay lasa teo teny amin'ny Bianco Ambohibao.

Kaominina Antananarivo Renivohitra : mirongatra tanteraka ny fanorenana tsy ara-dalàna

0
Nirongatra tanteraka ny fanorenana tsy ara-dalàna ato anatin’ny kaomina Antananarivo Renivohitra. Efa tafiakatra ny 200 ny fanorenana tsy ara-dalàna hita, hoy ny teo anivon’ny ministeran’ny fanajariana ny tany. Voakasiky ny fanotofana tsy ara-dalàna avokoa hatramin’ireo toerana voarara sy tsy azo hanorenana.

HCC : tsy mbola namaly ireo fitoriana marobe tonga tao aminy

0
Hatramin’izao, mbola tsy namoaka didim-pitsarana mahakasika ireo fitoriana managataka ny fampihatoana ireo Solombavambahoaka nivadika palitao ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana. Tsy nahenoam-peo ihany koa ity Fitsarana ity ny amin’ny fampiharana ny didy navoakany tamin’ny Zoma faha-25 may lasa iny sy ny amin’ny fisian’ny fifanarahana politika na tsia.

Ambohidratrimo : mihenjan-droa ny tady eo amin’ny Ben’ny Tanàna sy ireo mponina

0
Toherin'ireo mponina ao amin'ny kaominina Ambohidratrimo ny fanotofana tany sy fandrodanana trano kasain'ny kaominina ho atao. Antony, fambolena maro no efa tototry ny tany, tsy nisy ny fanonerana hatramin'izao. Etsy ankilany ny ben'ny tanàna manambara fa hitohy ny asa fanotofana hanatanterahina tetik'asan'ny kaominina.

Raharaha CEG Analamahitsy : manameloka ny famarotana ny sendikan’ny mpampianatra

0
Melohin’ny sendikan’ny mpampianatra ny famarotana na fikasana famarotana ny tany misy sekolim-panjakana eto Madagasikara, taorian’ny resabe manoloana ny raharaha CEG Analamahitsy. Nanambara kosa ny sendikan’ny mpitsara Malagasy androany fa tsy tao anatin’ny mangarahara ny fifanarahana sy ny momba io tany misy ny CEG io.

CEG Analamahitsy : manjavozavo tanteraka ny raharaha

0
Mifanilika ireo tomponandraiki-panjakana momban'ny raharaha CEG Analamahitsy izay miparitaka amin'ny gazety sy haino aman-jery fa nisy nivarotra. Fanontaniana maro no mipetraka an-tsain'ny mpanara-baovao vokatry ny tsy fisan'ny mangarahara.

Fahatsapana tsy fandriampahalemana : laharana faha-18 maneran-tany i Madagasikara

0
Laharana faha-18 mitovy na “ex-aequo” amin'ny firenena tsy haitana fandriampahalemana indrindra maneran-tany no misy an'i Madagasikara raha ny tatitra navoakan'ny Institut Gallup. Malemy eo anatrehan'ny tsy fandriampahalemana eto amin'ny firenena ny mpitondra sy ny tomponandraikitry ny filaminana.

Fanadihadiana “Agence capsule” sy KOLO TV/FM : ratsy laza ny ankamaroan’ny minisitra anaty governemanta

0
Olompirenena 328 amin'ny 400 nanaovan'ny kolo tv fm sy ny agence capsule fanadihadiana no milaza fa maro amin'ireo minisitra anaty governemanta no manana laza ratsy raha toa ka tokony ho modely izy ireo. Raha ny nambaran'ny manam-pahaizana nanaovana fanadihadiana kosa, any amin'ny fifidianana no hahafahan'ny vahoaka mitsara ny tomponandraikitra voalohany amin'ny fanendrena ny minisitra izay tena ho modely marina, dia ny filohampirenena .

Vavatenina : hatahorana ny halatra lavanila any an-tsaha mandrapisokatry ny taom-piotazana ny 15 jolay

0
Raha toa ka ny 15 jolay izao no fotoana hisokafan'ny tao-piotazana lavanila, dia tara io daty fiotazana io raha ny fanazavan'ireo tantsaha. Ampahany betsaka amin'ireo vokatra eny an-tsahano efa matoy saingy tsy azo hotazana. Mihamafy vokatr'io ny tsy fandriampahalemana sy ny fahasahiranan'izy ireo miandry ny vokatra any an-tsaha mandrapahatongan'io fepotoana io.