dimanche 05 mai 2024
Accueil 2018 juillet

Archives mensuelles: juillet 2018

Fakana an-keriny misesisesy : mitovy hatrany ny fomba fiadin’ireo mpanao asa ratsy

0
Saika nahitana famakiana fitaratra avokoa ny famahana ny fiara mitondra ireo olona alaina an-keriny nitranga tatao anatin'ny fotoana fohy. Raha tsy hilaza afatsy ny tranga tetsy Antanimena sy ny tranga vao omaly teny Ivandry. Famakiana fitaratra ihany koa no naneren'ny mpitandro filaminana namoahana ny solombavambahoaka Lanto Rakotomanga tamin'ny fotoan'andro. Mitovy fomba fanao ny mpitandro ny filaminana sy ny mpaka an-keriny eto amintsika. Fomba fanao izay mampiahiahy ny mpanara-baovao.

Edito du 07 juillet 2018

0
Na inona ambara na inona lazaina, ny tsy fisian’ny fifampatokisana intsony eo amin’ny samy Malagasy no fototry ny krizy misy ankehitriny. Ireo fomba nampandaniana ny lalàmpifidianana sy ny fanoheran’ireo Solombavambahaoaka miisa 73 nomban’ny vahoaka izany no porofo mivaingana amin’izay tsy fisian’ny fifampatokisana izay intsony. Ao anatin’izay tsy fifampatokisana izay anefa no tsy maintsy hanatontosana fifidianana izay ho Filohampirenena ka asakasak’izay mpanao itsin-dalan-dririnina tsy hampiatra ny mangarahara amin’ny fikarakarana izany.

Fanakatonana ny lisea St Vincent de Paul Ambatonilita : manohitra hatramin’ny farany ireo ray aman-dreniny

0
Tohin'ny raharaha fanakatonana ny lisea saint Vincent de Paul Ambatonilita. Manamafy ny fanoherana hatramin'ny farany ireo ray aman-drenin'ny mpianatra sy ny mpitantana ny sekoly ary miantso ny fijeren'ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny ity raharaha ity

Fanotofana tany tsy ara-dalàna : mihazakazaka eto an-drenivohitra

0
Mihazakazaka ny fanotofana tany ato anatin'ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Tao amin'ny Fokontany Saropody ao Androndra kely, miasa amin'ny alina ireo mpanototra, tsy fantatra hatreto ny tompon'ny tany.

PSE na Teti-pivoarana ho an’ny fampianarana : tsy mifanaraka amin’ny zava-misy marina eto Madagasikara

0
Mbola mitohy ny fitarainana sy ny fanamarihana mahakasika ny fampiharana ny PSE na ny teti-pivoarana hoan'ny fampianarana. Isan'ny olana goavana ny fiitaran'ny programam-pampianarana izay nampitombo ny saram-pampianarana aloa sy ny havizanan'ny mpianatra.

Fitakiana sendikaly: nirefotra ny baomba

0
Nirefotra ny Bomba mandatsa-dranomaso teny amin'ny ministeran'ny fanabeazam-pirenena ny andron’ny Alakamisy faha-5 jolay nandritra ny fitakian'ireo mpanabe sy mpiasan'ny ministera. Ankilan'izay nafana ny hetsika fitakiana sendikaly teny amin'ny ministeran'ny fitsarana niarahan'ireo sendika maro be izany.

Kaominina Malaimbandy : manjaka tokana ireo mpaka an-keriny

0
Mitaraina ny mponina ao amin’ny Kaomininan’i Malaimbandy manoloana ny firongatry ny fakana olona an-keriny na “kidnapping” any an-toerana amin’izao fotoana izao. Tao anatin’ny 29 andro dia efa nahatratra 9 ireo olona nisy naka an-keriny. Miraviravy Tanana ihany koa ny mpitandro ny filaminana any an-toerana manoloana izany.

Air Madagascar: mpiasa 210 terena hifindra ao amin’ny orinasa Tsaradia

0
Tsy eken'ireo mpiasa 210 ao amin'ny kaompania-pitaterana an'habakabaka Air Madagascar ny famindrana azy ireo amin'ny orinasa Tsaradia, mifanjohy amin'ny orinasa Air Madagascar. Isan'ny mampiahiahy ireo mpiasa ny mikasika ny asan'izy ireo sy ny ho avin'ity orinasa vaovao ity. Fanimbana ny orinasa Air Madagascar ihany koa izany raha ny fanazavana.

Fitakiana sendikaly : tsy nahazo valiny mahafa-po

0
Nanao “sit in” teny amin'ny ministeran'ny vola sy ny tetibola omaly maraina ny mpampianatra mpanabe nampahafantatra ny fitakiany. Ankoatra izay dia fampanantenana tsy misy hatrany ny vahaolana naroson’ireo tomponandraikitra, hoy ireo mpanao fitokonana

Fandikan-dalàna : mitohy hatrany, tsy miato intsony…

0
Mitohy hatrany ny tsy fanarahan-dalàna ataon’ny mpitondra ankoatra ny tsy fanarahana ny didim-pitsarana. Hatramin’izao, mbola tsy naverina ny mpiasan’ny Air Madagascar, izay efa nodidian’ny fitsarana ny famerenana azy.