samedi 27 avril 2024

Archives quotidiennes: 21 août 2018

Andry RAJOELINA : mitohy ny fitetezam-paritra

0
Teboka isan'ny mampitaraina ny mponina ao Betafo ny tsy fisian'ny fandriampahalemana sy ny tsy fisian'ny sehatra ho an'ny tanora nandritry ny fahatongavan'ny filohan'ny tetezamita teo aloha Andry Rajoelina tany an-toerana ny Alatsinainy faha-20 aogositra teo. Amin'ny alalan'ny vina izay naroson'ity farany na ny IEM no hahafahana mamaha ireo olana samihafa ireo raha ny fanazavana.

Déchets Radioactifs : tsy atahorana hisy fiantraikany, hoy ny avy ao amin’ny INSTN

0
Ny lalàna iraisam-pirenena no mametraka ny tokony hisian'ny foiben-toerana fanangonana déchets radioactifs ho an'ny firenena rehetra izay mikirakira ny radioactivité ka hiaraha-miasa amin'ny AIEA na Agence Internationale de l'Energie nucléaires. Tsy hisy ahiana ny fiantraikan'io amin'ny maha déchets azy ary hisy ny fanaraha-maso akaiky hoy ny eo anivon'ny INSTN na Institut National des Sciences et Techniques Nucléaires Madagasikara.

Tranon’ny FJKM eny Faravohitra : lasan’i RAVALOMANANA Marc marina ve ?

0
Niverina mandefa fanadaharana herinandro vitsivitsy izay ny Fahitalavitratra sy ny Onjampeo MBS. Mampametram-panontaniana ny maro ilay tranon’ny FJKM etsy Faravohitra izay lasa foiben-toeran’ireto Fahitalavitra sy Onjampeon’ny Filoha teo aloha ireto. Efa namidin’ny FJKM taminy ve sa manofa fotsiny ny MBS ao ?