samedi 27 avril 2024

Archives quotidiennes: 22 août 2018

Fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana : voararàn’ny lalàna

0
Manoloana ny tranga niseho tany Toamasina, tamin’ny fanentanana nataon’olon-tsotra iray hifidy ny filohan’ny antoko TIM Marc Ravalomanana, nanambara ny teo anivon’ny CENI androany fa mahavoasazy ny kandidà izany raha toa ka voamarina ho nisy hifandraisany tamin’ny tenany manokana io fiantsoana mialohan’ny fotoana io. Etsy ankilany, miankina amin’ny fisian’ny fitoriana no ahafahan’ny eo anivon’ny CENI manao fanadihadiana manoloana ity raharaha ity.

Malagasy Miara-Miainga : najoro tamin’ny fomba ofisialy ny birao ho an’ny Distrikan’i Moramanga

0
Najoro tamin'ny fomba ofisialy ny Biraon'ny antoko Malagasy Miara-Miainga ao amin'ny distrikan'i Moramanga. Ny fotokevitra ijoroan'ny Antoko Malagasy Miara-Miainga no naharesy lahatra anay, hoy ny filohan'ny MMM ao Moramanga nandritra ny fandraisam-pitenenana nataony.

Fametrahana ny fanoherana : tsy nataon’ny HVM hatramin’ny farany

0
17 andro mialohan’ny tsy maintsy hametrahan’ny Filohampirenena fialàna dia voaporofo ny nambaran’ny Antoko Malagasy Miara-Miainga fa tsy mahatanty fanoherana ny fitondrana HVM ka tsy nihevitra velively ny hanaraka izay voalazan’ny lalàmpanorenana ny amin’ny toerana tokony hisy ny fanoherana amin’ny fitantanan-drahraham-panjakana.