samedi 27 avril 2024

Archives quotidiennes: 28 août 2018

CAFE

0
Tsy ampy ho an'ny tsena anatiny intsony ny vokatra cafe eto amintsika raha toa ka isan'ny nanondrana izany betsaka i Madagasikara 30 taona tany aloha. Vokany ny fanafaran'i Madagasikara café avy any ivelany. Ny tsy fisian'ny politika ho an'ny famokarana sy fambolena no isan'ny anton'izay hoy ny vahiny nasaina tao amin'ny Journal de l'économie teto amin’ny KOLO TV.

CENI Fianarantsoa

0
Fepetra maromaro mifehy ny fiomanana mialohan’ny fifidianana na ny pré-campagne no tsy hajain’ireo kandidà sasantsasany hatreto. Isan’izany ny fampielezankevitra mialoha ny fotoana, fa eo ihany koa ny fampiasana ny fitaovam-panjakana hanaovana izay pré-campagne izay.

Déchets radioactifs

0
Mbola miteraka ahiahy eo amin’ny vahoaka Malagasy sy ny fiarahamonim-pirenena sasany ny momba ilay tatitry ny Filankevitry ny Minisitra ny amin’ny handevenana ireo « Déchets radioactifs » eto Madagasikara. Manazava ny maha-samihafa ny akora simika ampiasaina amin’ny fiainana andavanandro sy ny « Déchets radioactifs » ny tomponandraikitra iray ao amin’ny Minisiteran’ny Tontolo iainana.

Filohampirenena mpisolo toerana: tsy tokony hamatotra ny firenena

0
Ankoatra ny fanapahan-kevitra amehana tsy maintsy ho raisina ho an’ny tombontsoampirenena na ny décision d’urgence. Ny fanohizana ny politikam-panjakana no andraikitra goavana sahanin’ny filohampirenena mpisolo toerana izay handray fahefana tsy ho ela. Tsy tokony hisy kosa ny famatorana ny firenena amina fifanarahana samihafa. Tsy azon’ny filohampirenena mpisolo toerana atao ihany koa ny manala na manendry mpisampanjakana ambony. Andinin-dalana maro voarakitra ao amin’ny lalampanorenana ihany koa no tsy azony ampiharina.