samedi 27 avril 2024

Archives quotidiennes: 20 août 2018

Andry RAJOELINA : nitsidika ny vahoaka tao Analavory

0
Tsy misy mihaino ny fahoriana sy ny fahantrana hiainan'ny vahoaka maro hoy ny filohan'ny tetezamita teo aloha Andry Rajoelina tao Analavory ny Sabotsy faha-18 aogositra lasa teo. Tsy ekena intsony, hoy izy ny fijanonan'i Madagasikara ao anatin'ny fahantrana. Mitaraina ihany koa ny mponina nohon'ny faharatsian'ny toeram-pampianarana any an-toerana.

EDITO du 18 août 2018

0
Misy mihevitra mihitsy eto amin’ity firenena ity fa mora manadino sy bado avokoa ny vahoaka Malagasy ka mbola mirehareha sy mihebohebo hiatriaka fitsaram-bahoaka amin’ny alalàn’ny fifidianana ihany. Hinoana fa tsy mila fahantrana hiampy sy hihalalina intsony ny Malagasy fa ampy azy izay 5 taona nitondrany ny mangidy indrindra izay.

Fianakaviana Poussin : nahavita ny fitetezana an’i Madagasikara tamin’ny sarety

0
Tonga teto Antananarivo ny Alahady tolakandro faha-19 aogositra 2018, teo amin'ny PK 0, manoloana ny Garan’i Soarano, rehefa nitety an'i Madagasikara tamin'ny alalan'ny sarety ny fianakaviana Poussin 4-mianaka. Fitetezana izay naharitra efa-taona ary nahatratra 5 000 km. Noraisin'ny vahoaka sy ny manam-pahefana tetsy Soarano izy ireo ny hariva teo.

Menak’osy : maro no tsy mahalala ny asany.

0
Maro amin'ny malagasy no tsy mahalala ny asan'ny menak'osy, tsy vitsy koa anefa no mahafantatra ny asan'izany. Atao inona ny menak'osy? Ny valin'izay no entina aminao anatin'ity fanadihadiana ity.