samedi 27 avril 2024

Archives quotidiennes: 24 août 2018

Fifaninanana hidirana ho mpiasam-panjakana : hamafisina ny fanarahamaso sy ny fitsirihana

0
Nanatanteraka fidinana tampoka teny amin’ny Sekoly manofana ho mpiasam-panjakana ny ny ENAM Androhibe omaly Alakamisy faha-23 aogositra tolakandro ny minisitry ny asam-panjakana. Tanjona ny fitsirihana sy ny fanarahamaso ny fitsarana sy ny fikirakirana ny naoty tamin’ny fifaninanana hidirana ho mpiasam-panjakana ny faha-31 jolay lasa teo.

Insecurite Betroka

0
Saika manerana ny nosy ankehitriny no miaina ao anatin'ny tsy fandriam-pahalemana. Tafiditra ao anatin'izany ny kaominina Ambatomivary ao anatin'ny distrika Betroka. Tao anatin'ity volana ity 20 ireo vahoaka namoy ny ainy ary manodidina ny 600 ireo omby very, eo ihany koa ny fandorona trano ataon'ireo dahalo. Manao antso avo amin'ny fitondrana mahefa araka izany ny ben'ny tanana any an-toerana mba hijerevana akaiky ity olan'ny tsy fandriam-pahalemanana

Tontolon’ny jono eto Madagasikara : teboka maro no tokony hatsaraina

0
Teboka maro no mila hatsaraina eo amin'ny sehatry ny jono araka ny nambaran'ny teo anivon'ny ministeran'ny jono. Isan'ny lehibe amin'izany ny lafiny fitantanana.

Lisitry ny kandidà ho Filohampirenena : samy manana ny heviny ny olompirenena

0
Samy manana ny heviny ny olompirenena manoloana ny lisitry ny kandidà filohampirenena navoakan'ny HCC ny Alarobia faha-22 aogositra lasa teo. Etsy ankilany nanambara ny teo anivon'ny ARMADA fa manamafy ny fahafenoan'ny teboka hirosoana amin'ny fifidianana ny fivoahan'io lisitra io.

Antoko Maitso

0
Tahak'ireo fikambanana sy antoko maro samihafa efa manohana ny kandida Andry RAJOELINA, nanambara am-pahibemaso ny hanohana azy ihany koa ny antoko Maitso izay tarihin' Andriamatoa Georget Alexandre ny Zoma faha-24 aogositra maraina teo, ny vina IEM izay hoetin'ny Andry RAJOELINA amin'ny ankapobeny no naharesy lahatra azy ireo hanohana azy.