samedi 27 avril 2024

Archives quotidiennes: 30 août 2018

Bureau de vote

0
Nitombo 4 786 ny isan’ny biraom-pifidianana hanatanterahana ny fifidianana filohampirenena amin’ny volana Novembre izao raha ampitahaina ny fifidianana teo aloha, araka ny tapaka teo anivon’ny CENI omaly. Hiamafy manoloana io ny fanarahamaso ataon’ny fiarahamonim-pirenena sy ny mpisehatra samihafa.

Démission PAN

0
Tsy misy ny lalàna mametra ny tokony hametrahan’ny filohan’ny andriampanjakana fialana raha toa ka kandida amin’ny fifidianana ny tenany. Tokony hanaja ny etika politika kosa nefa ny tomponandraikitra voakasika raha ny nambaran’ny mpahay lalàna nanaovana fanadihadiana ka hametra-pialana hisian’ny fitovian-jon’ny kandidà.

Coût campagne

0
43 tapitrisa dolara Amerikanina. Io ny vola nolanian’ny Filohampirenena ankehitriny RAJAONARIMAMPIANINA Hery nandritra ny fampielezan-kevitra tamin’ny fifidianana Filohampirenena tamin’ny taona 20136, araka ny fanadihadiana nataon’ny FES Friedrich Ebert Stiftung, izay novatsian’ny Vondrona Eropeana vola. Tsy mbola nisy ohatr’izany eran-tany.

SEMPIDOU : mpiasan’ny fadin-tseranana miisa 98 tapaka karama

0
Mpiasa manodidina ny 98 ao amin’ny fadin-tseranana Malagasy no tapaka karama tamin’ity volana aogositra ity. Hiroso amin’ny fitokonana faobe ireo mpiasan’ny fadin-tseranana manerana ny Nosy rahampitso sy rahafakampitso.