dimanche 05 mai 2024
Accueil 2018 octobre

Archives mensuelles: octobre 2018

Bakalorea eto Antananarivo: nivaly androany

0
Androany no nivaly ny valim-panadinana bakalorea ho an'ny faritanin' Antananarivo. Nahitam-piakarana eo amin'ny 3% ny taham-pahafahana raha hoarina tamin'ny taon-dasa. Toy ny isan-taona, teo amin'ny iray volana teo hatrany ny faharetan'ny fitsarana hatramin'ny famoahana ny valim-panadinana.

Fanondranana volamena  – 2018 : tsy azo itokisana ny tarehimarika navoakan’ny ANOR

0
Tafidina 130 kilao ny volamena naondran’i Madagasikara tamin’ny ity taona 2018 ity raha nananika ny 340 kg izany tamin’ny taon-dasa, raha ny tatitra navoakan’ny ANOR. Tsy mifanaraka amin’ny tarehimarika azo avy amin’ny tsenam-bolamena eran-tany navoakan’ny Banky iraisampirenena ity tarehimarika navoak’ny ANOR ity hoy ny mpahay toekarena nadihadiana. Ny fitombon’ny fanondranana antsokosoko no ambadin’izany raha ny fanazavana hatrany.

Fampiofanana FES : navoaka omaly ireo mpanao gazety 10

0
Mpanao gazety miisa 10 no navoaka tamin'ny fomba ofisialy omaly maraina taorian'ny fahavitam-piofanana. Fiofanana ho an'ny mpanao gazety tanora izay nokarakarain'ny FES tamin'ity taona 2018 ity izay andiany faha 6. Anisan'ny mpandray anjara tao anatin'izany moa ny mpanao gazetin'ny kolo tv fm izay teo amin'ny laharana faha 3.

Kaominina Ambohidratrimo : nahodikodin’ny ben’ny tanàna ny vidin-tanin’olona?

0
Mihenjan-droa ny tady eo amin'ny mponina sy ny ben'ny tanàna Ambohidratrimo mombann'y fakana ranon-tany hanamboarana lalana. Tany mana-tompo no hakana ranon-tany, tsy misy fifampiresahana, tsy misy fanonerana. Nankaiza ny vola tamin'izany hoy ny mponina.

Sampandraharahan’ny fananan-tany sy fandrefesan-tany : manjaka ny kolikoly

0
Mitana ny laharana voalohany amin’ny kolikoly ny sampandraharahan’ny fananan-tany eto Madagasikara araka ny fanadihadian’ny BIANCO sy ny Transparency International. Endrika kolikoly mateti-pitranga ny famoahana antontan-taratasy momba ny boky rovitra sy ny maro hafa raha ny fanazavana hatrany.

« Le DEBAT des CANDIDATS à la présidentielle 2018 » : samy niezaka niaro ny vinany

0
Tontosa androany tetsy amin’ny Carlton Anosy ny ady hevitra ho an’ireo kandidà hilatsa-kofidiana amin’ny fifidianana ho filohampirenena na ny « Le débat des candidats à la présidentielle 2018 ». Adihevitra nisokatra ho an’ny kandidà tsy ankanavaka nampahafantarina ny vina sy ny tetikasa hampandrosony ny firenena.

Barea de Madagascar : nisy andian’olona nitoraka ny fiara nitondra azy ireo omaly alina

0
Tontolon'ny baolina kitra indray kosa. Nisy andian'olona nanakana sy nitoraka ny fiara nitondra ny ekipan’ny Barea de Madagascar rehefa nody tokony tamin’ny 8ora alina. Korontana nateraky ny fahatapahan-jiro no niteraka io fitorahana io raha ny nambaran’ny teo anivon'ny Fédération Malagasin'ny Baolina.

Fitrandrahana volamena ataon’ny orinasa M.L.S.G : ahiana ny fisian’ny kolikoly, hoy ny CRAAD-OI

0
Misy ahiahina kolikoly ny fitrandrahana volamena ataon'ny orianasa vahiny Mac Lai Sim Gianna any amin'ny kaominina Vohilava, distrikan'ny Mananjary hoy ny fiarahamonim-pirenena Craad-OI. Ho ringana ny volamena ao amin'ity distrika ity raha ny zava-misy ankehitriny no tsy misy fandraisan'andraikitra hoy izy ireo.

Tontolon’ny baolina kitra

0
Tafita amain'ny CAN 2019 ny barea de Madagascar taorian'ny fandresen’izy ireo ny ekipan'i Guinée Equatorial omaly tetsy amin'ny kianjan'i Votovorona. Sambany teo amin'ny tantaran'ny baolina kitra Malagasy.

Ezaka ho an’ny fampandriana fahalemana : basy an-jatony no nopotehina ampahibemaso

0
Notanterahina omaly ny famotehana ireo basy tsy ara-dalàna sy tratra nandritra ny hetsika fampandriana fahalemana manerana ny nosy. Fanehoana ny finiavan'ny fitondram-panjakana hiady amin'ny tsy fandriam-pahalemana no anton'izany. Hetsika izay voalohany teo amin'ny tantaram-pirenena.