Accueil 2018 octobre

Archives mensuelles: octobre 2018

Fivoriana ara-potoana faharoa : nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly

0
Volavolan-dalàna miisa 8 ary tolo-dalàna 1 miampy ny fandinihana sy ny fandaniana ny LFI na ny Loi de Finance Initiale, ireo no miandry ny Solombavambahoaka eny amin'ny Antenimieram-pirenena mandritra ny fivoriana ara-potoana faharoa izay nisokatra tami'nny fomba ofisialy omaly.

Fakana ankeriny : olona 6 no nalaina ambavany.

0
Olona 6 no nalaina am-bavany taorian'ny tranga fakana an-keriny an'ilay tompon'ny Pharmacie Principale antsoina hoe Sabir Molou teo anoloan'ny trano fonenany ny sabotsy lasa teo. Na izany aza, tokony hametraka fitoriana ny fianakaviany hoy ny mpitandro filaminana izay nanamafy fa mitohy hatrany ny fanadihadiana momba io fakana an-keriny io.

Fivoriana ara-potoana faharoa – Antenimierampirenena: hanomboka anio

0
Ny filoha lefitra avy any Fianarantsoa no hitana vonjimaika ny toeran'ny filohan'ny antenimierampirenena ka hitarika ny fivoriana ara-potoana faharoa eny anivon'ny antenimierampirenena anio. Ankoatra ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana. Isan'ireo miteraka resabe ny mety handalovan'ny lalàna mamela ny fiarahan'ny olona mitovy fananahana eto Madagasikara eny Tsimbazaza.

Fampielezan-kevitra : mampitandrina ny CENI amin’ny fihoaram-pefy ?

0
Roa andro no nomen’ny CENI ireo kandidà Filohampirenena hiverenan’izy ireo amin’ny fanajàna ny lalàna velona eto amin’ny firenena manoloana ny tsy fanajàna izany lalàna velona izany ataon’ireo kandidà sy ny mpomba azy.

Sandan’ny EURO iray : niakatra ho 4 079 Ariary

0
Tsy nitsaha- mikatra ny sandan'ny vola Euro tato ho ato, tao anatin'ity volana Oktobra ity nahitam-piakarana hatramin'ny 91 Ar izany. Fiakarana izay midika ho fihenan'ny sandam-bola Ariary hatrany ary misy fiantraikany lehibe amin'ny toe-karena Malagasy, hoy ny mpahay toe-karena.

Karandalina nivadika indray : olona 13 namoy ny ainy, 25 hafa naratra mafy

0
Olona 13 no namoy ny ainy ary 25 hafa no naratra mafy vokatry ny lozam-pifamoivoizana tao Farantsa 20 Km miala an'i Taolagnaro amin’iny lalàmpirenena faha-13 iny. Efa nisy ny fepetra noraisina amin'ny fitsirihana ny fiara sy ny entana ho entina raha ny fanazavana. Na izany aza, ilaina hatrany ny mitandrina indrindra ho an’ireo mpamily.

Fiatrehana fifidianana : mbola misy ireo manoha-riana

0
Amin’izao 26 andro mialoha ny hiatrehana fifidianana izao dia mbola misy hatrany ireo matahotra ny fitsaram-bahoaka amin’ny alalàn’ny fifidianana ka manoha-riana amin’izay tsy hanatontosana fifidianana. Fifidianana izay efa nandrasan’ny vahoaka an-taonany maro anefa haniliana ireo mpitondra efa voaporofo fa tsy nahomby.

Edito du 13 oct 2018

0
Tafiditra tanteraka ao anatin’ny fampielezan-kevitra isika izao. Andro vitsy monja nanombohan’izany, maro ireo tora-kovitra ka mitady izay fomba rehetra hampitsaharana nfifidianana satria efa tsapa sy hita ny fironan’ny vahoaka Malagasy. Dondona sy maika ny vahoaka hanilika ireo hita sy voaporofo fa tsy nahomby tamin’ny nitantanana ny firenena.

Fanamboarana siny kafe : mandalo dingana maro

0
Ny fanamboarana siny Café, fitaoava fototra ampiasan’ireo mpivarotra Café mandehandeha indray no aroso aminao any an-tokantrano amin’ity alina ity. Asa mila faharetana sy fiangalina manokana ny fanamboarana izany raha ny fanazavana.

Andramena nogejaina eto Madagasikara : nankasitraka ny ezaka efa vita ny CITES

0
Taorian’ny fihaonana faha-70 ny CITES, izay notontosaina tany Sochi Rosia tamin’ny fiandohan’ity volana oktobra ity no nankasitrahana ny ezaka efa vitan’i Madagasikara amin’ny fiarovana ireo hazo sarobidy. Ezaka izay mbola mila fanatsarana hatrany