dimanche 28 avril 2024

Archives quotidiennes: 8 avril 2019

Cour des Comptes – Ambohidahy : nanatitra ny Kaontiny ny kandida Andry RAJOELINA

0
Nanatitra ny Kaontiny nandritra ny fifidianana farany teo, teny amin'ny Cour des Comptes Ambohidahy, ny solotenan'ny Kandida Andry RAJOELINA izay lany ho filoham-pirenena. Tsy misy ny sazy voafaritry ny lalàna ho an'izay tsy manatanteraka izany raha ny fanazavana, saingy entanina hatrany ireo izay tsy nanatanteraka izany hamita ny adidiny.

CUA: tsy manaja ny fifanarahana tamin’ireo mpivarotra

0
Mivoaka tsikelikely ny fifanarahana ambadika nataon’ny kominina Antananarivo renivohitra tamin’ireo mpivarotra manamorona ny trottroir eo an-dohan’Analakely izay tafiditra anatin’ny trano vy na box mena ankehitriny. Raha toa ka efa nifanaraka izy ireo teo aloha, tadiavin’ny kominina esorina avokoa ireo mpivarotra ireo ankehitriny. Ireto farany izay mitsipaka io fanapahan-kevitra io.

Diaspora Malagasy – Sénégal : vonona hitondra anjara biriky hampandrosoana ny firenena

0
Vonona hifanome tanana amin'ny fitondram-panjakana malagasy ireo diaspora malagasy any Senegal. Izay no isany nivoitra nandritra ny fihaonan'izy ireo sy ny filohan'ny repoblika Andry Rajoelina tany an-toperana ny Alarobia teo. Maro amin'ireo diaspora no miasa amin'ny sampan-draharaha iraisam-pirenena sy ireo Fikambanana iraisam-pirenena.

Lalàna mifehy ny serasera : an-dalana ny fanitsiana azy

0
Miankina betsaka amin’ny fihaonan’ny ministera miaraka amin’ireo mpisehatra mivantana amin’ny mpikirakira sy mpandraharaha eo amin’ny sehatry ny serasera ny fanitsiana ny lalàna mifehy izany. Mizotra miandalana ny famolavolana izany raha ny nambaran’ny tale jenerlain’ny serasera.