dimanche 28 avril 2024

Archives quotidiennes: 29 avril 2019

Tatitry ny zato andro nitondran’i Andry Rajoelina: miabo

0
Resaka ankitsimpo, izay no nanambaran' ny filoha ny tatitry ny zato andro nitondrany firenena manoloana ny vahoaka. Tsy maintsy tanteraka anaty 5 taona ny velirano nifanaovana tam vahoaka malagasy hoy ny filoha. Nisongadina tanatin'izay tatitra izay ny ady @ tsy fandriampahalemana sy ny fanatsarana ny fitantanana ny firenena. Niabo ihany koa ny fifandraisana iraisampirenena ho an'i Madagasikara.

Faritra Bongolava : tokony omen-danja ny sehatry ny fitrandrahana

0
Seha-pihariana tsy manara-dalàna sy tsy mandoa hetra ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany ao amin’ny faritra Bongolava hatrizay. Tsy nisy ny rafi-panjakana manokana nanara-maso ny fitrandrahana hisy fiantraikany amin’ny fampidiram-bolam-panjakana. Miantso ny fitondram-panjakana hijery akaiky izany ny mponina avy any an-toerana.

Fitrandrahana fasi-mainty : tsy miantraika amin’ny fiainam-bahoaka ny tamberim-bidy

0
Tsy mbola nahitam-bahaolana hatreto ka mampitaraina ireo mponina any Taolagnaro sy ny manodidina ny voka-dratsy ateraky ny fitrandrahana fasi-mainty any an-toerana sy ny tsy fisitrahan’izy ireo tombony araka ny tokony ho izy. Tsy misy fiantraikany mivantana amin’ny vahoaka raha ny fanazavan’ny fiarahamonim-pirenena ny tamberim-bidy mitentina 2 tapitrisa dolara isan-taona alohan’ny orinasa mpitrandraka.

Fitsarana taloha : fampisotroana tangena

0
Kolon-tsaina, Fampisotroana Tangena, fanapahan-doha sy ny famarinana ny razana teny Ampamarinana. Ireo no endrika ny fistarana tamin'ny vanimpotoan'ny fahapanjakana. Isany mbola vakoka mitahiry ny tantara ny lapan'ny fitsarana eny Antranovato.

Filohan’ny Banky iraisam-pirenena : hitsidika eto Madagasikara

0
Ho tonga eto Madagasikara amin'ity faran'ny herinandro ity ny filohan'ny Banky iraisam-pirenena. Araka ny loharanom-baovao, hisy ny fiarahan'ny Filohan'ny Repoblika Malagasy sy ity filohan'ny Banky iraisam-pirenena ity, hitsidika faritra vitsivitsy eto Madagasikara.

Edito du 29 avril 2019

0
Fanjakana tan-dalàna, Fanjakana tsy mila korontana, Fanjakana te hiasa haingana ho an’ny fampandrosoana maharitra ny vahoaka ao aminy. Ireo no endrika hita sy tsapan’ny vahoaka tamin’ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Filohan’ny Repoblika manoloana ny hevitr’ireo mpikambana eo anivon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, ny amin’ny tsy maintsy hanemorana ny fitsapa-kevi-bahoaka. Na izany aza, very fotoana ny fampandrosoana, takalon’ain’ireo mpanao politika indray ny firenena.

Tagnamaro MAHTP : niompana tamin’ny fanamboaran-dalana

0
Nifantoka tamin’ny fanamboarana ny lalana miditra ny Lycée Technique Professionnelle Ampasampito ny Tagnamaro ho an’ny Ministeran’ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenena sy ny asa vaventy. Lalana izay efa tsy nahitam-panavaozana an-taonany maro hoy ny Tomponandraikitry ny sekoly.

Herisetra ara-batana : 5 % n’ny lehilahy no iarany

0
Lehilahy ny 5 % n’ireo iharan’ny herisetra ara-batana eto Madagasikara. Vitsy ankilany ireo mahasahy mitorok’izany noho ny antony maro. Ialany tsiny sahady ho an’ireo izay mety ho tohina amin’ny sary anatin’ity fanadihadiana ity.

IOGA : nosokafana androany ny fankalazany ny faha-130 taonany

0
Nosokafana androany ny fankalazana ny faha-130 taonan’ny ivotoerana IOGA Antananarivo. Ity ivotoerana ity izay mandinika ny momban’ny eny amin’ny abakabaka, ny ety ambonin’ny tany ary ny any amban’ny tany. Nomarihana tamin’ny alalan’ny fanomezana marim-pankasitrahana ireo mpianatra solon-tenan’ny Afrika tsirairay niofana teo Madagasikara ny fankalazana.

Mpianatra eny anivon’ny liseam-panjakana : hahazo vatsim-pianarana mankany ivelany

0
Hahazo vatsim-pianarana mankany ivelany manomboka izao ireo mpianatra eny anivon'ny liseam-panjakana. Izay no isan'ny vokatry ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa teo amin'ny ministeran'ny fanabeazam-pirenena, fampianarana teknika ary fanofanana araka asa sy ireo mpiara miombon'antoka androany teny Anosy.