samedi 27 avril 2024

Archives quotidiennes: 9 avril 2019

Domaines Ambohidratrimo : nitokona ny mpiasa androany

0
Nanaitra sy nampametraka fanontaniana ireo olona hikarakara taratasy tao amin’ny biraon’ny Domaines ao Ambohidratrimo androany ny fitokonana tampoka nataon’ireo mpiasa tao ka nahatonga azy ireo niverim-potsiny sy lany fotoana. Raha ny fanambarana navoakan’ireo sendikalista tamin’ny faran’ny herinandro anefa dia ny faha-10 aprily ho avy izao izy ireo no hitokona raha tsy mivaly ny fitakian’izy ireo.

Toamasina : natolotra tamin’ny fomba ofisialy ireo fitaovana famatsiana rano

0
Fitaovana famatsiana rano aman- jatony no alefa any amin ny faritra atsimo, amin'ny alalan'ny fiaraha-miasan'ny Unicef sy ny fanjakana Malagasy. Tanjona ny hanamorana ny fisitrahana rano fisotro madio any an-toerana. Androany no natolotra tamin'ny fomba ofisialy teny amin'ny seranantsambon i Toamasina izany.

Plan Sénégalais Emergent : ny 3P no nanatontosana azy

0
Isan’ireo firenena aty Afrika misandratra ara-pampandrosoana tao anatin’ny fotoana fohy i Sénégal. Ny taona 2012 no nanombohan’ny Governemanta Sénégalais sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy nanatanteraka ny PSE na ny Plan Sénégalais Emergent. Ny 3P na ny Partenariat Public-Privé no nanatontosany izany. Efa miditra amin’ny andiany faha-2 amin’ity PSE ity i Sénégalais ankehitriny.

Olana fahatapahan- drano : hivaha tsy ho ela

0
Hivaha ao anatin'ny 2 volana farafahatara ny olana fahatapahan-drano, hoy ny Praiminisitra Ntsay Christian. Ho raisin'ny fanjakana an-tanana ny fanafainganana ny famahana ny olana izay mampikaikaika ny vahoaka tato ho ato eto Antananarivo sy ny manodidina. Olana hatramin'izay, hoy hatrany izy ny tsy fisian'ny famatsiam-bola efa ho 15 taona ho fanatsarana ny famatsaian-drano eto an-drenivohitra.