Archives mensuelles: mai 2019

Mpitam-bolan’ny fampielezan-kevitra : kandida maherin’ny 400 tsy mbola manana

0
Maherin’ny 400 ireo kandida no tsy mbola nahatonga ny anaran’ny mpitam-bolan’ny fampielezan-kevitra any amin’ny biraon’ny vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana hatramin’ny androany. Izany hoe tsy nanara-dalàna. Ny fitsarana mahefa sy ny vaomiera misahana ny fitantanam-bolan’ny fifidianana no handray ny fepetra mikasika azy ireo aorian’ny fiafaran’ity herinandro ity.

Arina fandrehitra : tsy nahitana fihenana ny vidiny

0
Tsy nahitana fihenana ny vidin'ny arina fandrehitra amin'izao vanim-potoana ririnina izao na mitombo aza ny famokarana any am-potony. Mijanona ho toy ny vidiny tamin'ny fahavaratra ihany ny arina eny amin’ny mpaninjara.

LFR 2019 : dinihina amin’ny antsipirihiny tanteraka

0
Namoaka fanambarana io takariva io ny eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika fa efa hateloana izay no nandinihina amin’ny antsipirihiny ny teti-bola nasiam-panitsiana taona 2019 ao anatin’ny filan-kevitry ny minisitra. Vao vita izay fandinihina amin’ny antsipirihiny izay dia hamoaka didy hitsivolana hampanan-kery izany ny Filohampirenena.

Andravoahangy Atsinanana : tsy misy manadio ny tatatra

0
Tatatra mirefy tokony ho eo amin'ny 80 metatra eo no mampitaraina ny mponina aoamin'ny fokontanin' Andravoahangy Atsinanana vokatry ny loto sy ny fofona aterak'izany. Mitaraina arak'izany ny mponina mba hanadiovana ity tatatraity.

“2ème Rallye de MOTUL”: tanterahina ny faha-17, 18, 19 may ho avy izao

0
Tontolon'ny fanatanjahantena eo amin'ny fanamoriana fiarakodia. Hotanterahina ny andiany faharoa ny Rallye MOTUL mandritra ny telo andro izay karakarain’ny FMMSAM. Mpandray anjara maro ihany koa no andrasana ao anatin'izany.

“Abrisbus” eto Antananarivo Renivohitra : ampiasaina tsy amin’ny asany

0
Tsy ampiasaina amin’ny antony nanaovana azy ny “abrisbus” eto Antananarivo. Zary lasa fipetrapetrahan'ny olona amin'ny tsy antony sy fivarotana entam-barotra maro samy hafa izany. Hany ka miteraka olana amin'ny fifamoivozana ny tsy fijanonan’ny fiara mpitatitra manoloana azy ireny.

« Parking »- Anosibe : tsy manaiky ny fananganana “Box” vaovao ny mpivarotra

0
Tsy manaiky ny fikasana hamadihana ho tsena ny fitoeran'ny fiara eo anoloan'ny tsena Anosibe ny mpivarotra eny an-toerana. Androany nisy ny fihetsiketsehana nataon'izy ireo hanehoana io fanoherana io.

Anosizato Atsinanana : mangataka ny hanomezana lalana azy ny fokonolona

0
Nanao fihetsiketsehana nanomboka omaly hariva ka nitohy anikeo maraina ny fokonolona monina eny Anosizato Atsinanana ny amin’ny hamerenana ny lalankely izay ivezivezen’izy ireo nisy namefy. Nilaza kosa ny solontenan’ny tompontany izay namefy ny lalankely fa afaka manao izay tiany hatao amin’ny taniny ny tompon-tany.

Ambodivona : trano fivarotana miisa 73 kilan’ny afo

0
Trano fivarotana vita amin’ny hazo miisa 73 no kilan’ny afo alina tetsy Ambodivona an-damosin’ny fivarotan-tsolika TOTAL. Tsy nisy ny aina nafoy, torak’izany koa ny olona naratra. Hatramin’izao, tsy fantatra mazava ny niatombohon’ny afo.

CENI : tsy misy izany kandidàm-panjakana izany

0
Nandritra ny fihaonana tamin’ny mpisehatra amin’ny fifidianana no nanamafisan’ny CENI fa tsy misy izany kandidàm-panjakana izany ary tsy tokony hisy hilaza ho natolotry ny fanjakana na iray aza ireo kandidà solombavambahoaka. Nisy ihany koa androany ny famelebelarana ny amin’ny hanaovana lisi-pifidianana biometrika