mercredi 01 mai 2024

Archives mensuelles: mai 2019

Zotra D : Taxibe 46 no tsy ara-dalàna ny antotan-taratasy

0
Taxibe 46 no tsy manana antotan-taratasy ara-dalàna tao anatin'ny fanaraha-maso tampoka nataon'ny ATT sy ny mpitandro'ny filaminana tao amin'ny zotra D. Hitohy ny fanaraha-maso sy ny fampiharana ny lalàna raha ny fanazavana.

 » Championnat de Madagascar Karting 2019″: hotontosaina amin’ny Alahady

0
Ho tontosaina ny faha-12 ny volana may ho avy izao ny 1ere Manche amin'ny " Championnat de Madagascar Karting 2019". Ny eo anivon'ny FSAM no mikarakara ny hetsika.

Fikajiana ny vidim-piainana : sokajin’entana 250 no handrefesana izany

0
Nampitomboina 250 eo ho eo ny sokajin’entana handrefesana ny vidim-piainana eto Madagasikara. Io raha fehezina ny fanovana goavana nandritra ny fampahafantarana ny fandrefesana vaovao ny toekarena sy ny harikarena faobe ataon’ny INSTAT.

Madagasikara – Vondrona Eoropena : mihamafy ny fiaraha-miasa

0
Nihatsara ny fiarahamiasan'ny vondrona Eoropeana sy ny Fanjakana Malagasy araka ny nambaran'ny masoivohon'ny vondrona Eoropeana nandritry ny andro faharoan'ny fanamarihana ny herinandron'i Eoropa androany tetsy Analakely. Tetikasa maro no tanterahana amin'ny alalan'ireo famatsiam-bola samihafa, famatsiam-bola izay namafisin'ny minisitry ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana sy ny asa vaventy fa tsy trosain'i Madagasikara.

Tale jeneralin’ny OMACI : saika tsy nanaiky famindran-draharaha

0
Taorian'ny didy navoakan’ny Fitsarana an-tampony, ny amin'ny fampitsaharana ny mpikambana teo alohan’ny OMACI na (Office Malagasy de Cinema). Niroso tamin'ny famindran-draharaha ny minisitera tomponandrikitra tamin 'ity androany ity. Nisalasala ary saika tsy hanatanteraka izany ny tale jeneralin'ny OMACI, saingy nanatontosa izany ihany tamin’ny farany.

Fanoherana ny fitrandrahan’ny Base Toliara : olona 9 no voatazona any am-ponja

0
Olona 9 amin'ireo 30 voasambotra vokatry ny fanoherana ny fitrandrahana fasimainty ataon'ny orinasa Base Toliara any amin'ny faritra Atsimo Andrefana no voatazona any amin-toeran-tsy fantatra hatramin'izao. Mitaky ny hamoahana azy ireo ny Fiarahamonim-pirenena CRAAD-OI, sy ny Collectif Tany, ary ireo mponina any an-toerana.

« Redevance d’entretien routier »: 140 miliara ariary tsy voaloa

0
Tomponandraikitra amin'ny fahapotehan'ny lalana eto Madagasikara ny mpamatsy solika araka ny nambaran'ny minisitry ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana sy ny asa vaventy. Mitentina hatramin'ny 140 miliara ariary ny RER na ny Redevance d'entretien routière tsy voalohan'izy ireo. Tsy mitombona ihany koa raha ny fanazavana ny filazana fa tsy mahazo tombony ny mpalatsy solika eto amintsika. Manoloana io, hifantoka amin'ny tombotsoan'ny vahoaka Malagasy ankehitriny ny fijerena vahaolana mikasika ny fanjifana solika eto amintsika hoy ny eo anivon'ny fitondram-panjakana.

Kandida Solombavambahoaka tsy manara-dalàna : andraisana fepetra entitra

0
Andraisana fepetra entitra ireo kandida solombavambahoaka tsy manara-dalàna mandritra izao fotoanan'ny fampielezan-kevitra izao hoy ny Ceni. Fandoavana sazy ara-bola mety hiafara hatramin'ny fanafoanana ny vokatra no mahazo ireo kandida minia mandika lalàna.

Hetsika fitiavan-tanindrazana : nosokafana tamin’ny fomba ofisialy.

0
Nosokafana tamin'ny fomba ofisialy androany ny hetsika fitiavan-tanindrazana amin'ny alalan'ny fampiakarana ny sainam-pirenena. Tetikasa izay tafiditra ao anatin'ny fankalazana ny faha 59 taona niverenan'ny fahaleovan-tena sy nijoroan'ny foloalindahy Malagasy.

Fakana ankeriny : misy ny zandary naiditra am-ponja

0
Zandary miisa 55 no namoahana fanejehana na "ordre de poursuite" ankehitriny araka ny nambaran'ny teo anivon'ny zandarimariam-pirenena androany. Misy amin'izy ireo no voarohirohy amin'ny resaka fakana ankeriny. Isan'izany ny raharaha fakana ankeriny tao Maevatanana.