samedi 27 avril 2024

Archives quotidiennes: 25 octobre 2019

Forum Socio-économique national : ilaina ny fijerena loharanom-bola hafa

0
Manodidina ny ampaha-3 amin’ny famatsiam-bola ilain’ny firenena ihany no azon’i Madagasikara isan-taona nandritra ny taona maro. Ilaina ny fijerena loharanom-bola hafa na avy ato anatiny na avy any ivelany, ahafahana mampandroso ny firenena, araky ny nivoitra androany nandritry ny andro voalohan’ny Forum Socio-économique national, totonsaina eny amin’ny oniversite an’Antananarivo.

« Iles Eparses » : nanamafy ny filoha frantsay fa an’i Frantsa ireo nosy miisa 5

0
Nilaza ny filoha frantsay Emmanuel Macron omaly, nandritra ny fitsidihany ny Nosy Glorieuses fa ho sokajiana ho "Parc National" -ny Frantsa io Nosy io. Fanambarana izay nanaitra ny be sy ny maro noho ny "Iles Eparses" izay mbola takian'ny Malagasy hatramin'izao.

« Sommet Russo – Afrique » : ho fanamafisana ny fifandraisan’i Rosia amin’ny firenena afrikanina

0
Isan'ny mandray anjara amin'ny fihaonana an-tapony Russo-Afrique any Russie ny filohan'ny repoblikan'i Madagasikara, Andry RAJOELINA amin'izao fotoana. Nanamarika ny andro voalohany omaly ny fisian'ny Forum économique izay nandraisan'i Madagasikara anjara. Nihaona tamin'ireo mpandraharaha ara-toekarena sy ireo lehiben'ny orinasa maro ny filoha Andry RAJOELINA.

« Iles Eparses » : hajoro alohan’ny 18 Novambra izao ny Vaomiera iombonana

0
Taorian'ny fanambarana nataon'ny filoha frantsay Emmanuel Macron tao amin'ny Nosy Glorieuses, naneho ny heviny ny hariva teo ny filohan'ny repoblikan'i Madagasikara ary nilaza fa vonona ary matoky fa hiaro ny hambopom-pirenena. Hajoro alohan'ny 18 Novambra izao ny Vaomiera iombonana momba ireo nosy Eparses ireo, hoy hatrany ny filoha.

Tana Masoandro : mitohy ny fifampiresahana amin’ny vahoaka

0
Mitohy ny fifampiresahana amin’ny vahoaka mikasika ny tetikasa Tana Masoandro. Androany, nidina teny amin’ny kaominina Ankadimanga Ambohidrapeto ny mpanolotsaina manokan’ny Filohan’ny Repoblika momba ny tetikasa Tana Masoandro, niaraka tamin’ny solonten’ny mpikambana eo anivon’ny governemanta sasantsasany. Nihaino sy nandray ireo hetahetan’ny mponina izy ireo.