samedi 27 avril 2024

Archives quotidiennes: 8 octobre 2019

3ème Forum National Urbain : tontosa nanomboka androany ka hatramin’ny 09 oktobra

0
Nisokatra amin’ny fomba ofisialy androany, ary aharitra 3 andro ny Forum National Urbain andiany faha-3; izay tontosaina ao amin’ny village Voara Andohatapenaka. "Tanan-dehibe, fanoitra ho amin’ny fampandrosoana haingana sy moderina an’i Madagasikara" no lohahevitra amin’izany. Nanamafy ny minisitra Hajo Andrianainarivelo nandritry ny fanokafana fa zava-dehibe ho an’I Madagasikara ny fampandrosoana ny tanan-dehibe. Hetsika maro no hotontosaina mandritra ity fikaonan-doha nasionaly ity.

RAJOELINA Andry : nitsidika ny teny amin’ny seranan’Ivato

0
Araka ny efa nambaran’ny Filohan’ny Repoblika RAJOELINA Andry nandritra ny fandaharana manokana tao amin’ny fahitalavi-pirenena alina, dia nitsidika teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny Filohan’ny Repoblika RAJOELINA Andry, manoloana ny fitarainana amin’ny fomba fiasa eny amin’ity seranana ity.

Delegasiona MEDEF : noraisin’ny Filoha teny amin’ny Lapan’Iavoloha

0
Noraisin’ny Filohan’ny Repoblika RAJOELINA Andry teny amin’ny Lapan’Iavoloha io maraina io ireo delegasionina avy amin’ny MEDEF na ny Mouvement des entreprises de France. Ny taona 2005 no tapaka ny fiaraha-miasa tamin’ireto mpandraharaha lehibena orinasa frantsay ireto saingy izao niverina izao indray.

Filohan’ny Repoblika : mitsinjo hatrany ny vahoaka Malagasy

0
Teboka maro no nisongadina tao anatin'ny fanadaharana manokana nataon'ny filohan'ny repoblika alina manodidina ny raharaham-pirenena. Fanehoana hatrany fa mitsinjo sy akaiky ary mihaino ny vahoaka Malagasy ny Filohampirenena raha ny fanehoan-kevitra azo androany.