dimanche 28 avril 2024

Archives quotidiennes: 24 octobre 2019

Fafah Mahaleo : notoloran’ny fitondram-panjakana mari-boninahitra

0
Notoloran'ny fitondram-panjakana mari-boninahitra grand officier de l'ordre national i Rajaonarison Famantanantsoa na Fafa Mahaleo androany nandritra ny fanaovam-beloma farany azy tetsy amin'ny lapan'ny fanatanjahantena Mahamasina. Vahoaka maro no tonga teny an-toerana notronin'ireo olo manankaja maro.

« Pont » Tetezambaro : nandray andrikitra avy hatrany ny ministera tomponandraikitra

0
Niainga ny hariva teo ny fiarabe hitondra ny fitaovana hanamboarana ny Pont ao Tetezambaro izay nisy fahasimbana tamin'ny atoandro. Mbola hisy fiara faharoa hiainga rahampitso maraina hitondra ny fitaovana fanampiny. Ezahina ho vitaina ao natin'ny fotoana fohy ny Pont hahafahan'ny mponina mivezivezy.

Fanamboarana ny RN44 : mizotra araky ny tokony ho izy

0
Mandeha araky ny tokony ho izy ny fanamboarana ny lalana RN44, izay niatomboka taorian’ny fametrahan’ny Filohan’ny Repoblika ny vato fototra tany an-toerana. Nanamafy ny orinasa CGC nahazo ny asa, fa tsy maintsy voahaja ny 18 volana voalaza hamitana ny tapan’ny voalohan’ny fanamboarana. Nitsidika tany an-toerana ireo teknisiana teo anivon’ny Minisiteran’ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy, nijery ny fizotry ny asa.