vendredi 03 mai 2024
Accueil 2019 octobre

Archives mensuelles: octobre 2019

Mahajanga : natolotra omaly ny teti-bola FIHARIANA

0
Nitohy omaly ny fanatanterahana ny vina sy ny velirano nataon’ny Filohampirenena RAJOELINA Andry tao Mahajanga. Nozaraina ireo nahafeno ny fepetra ny teti-bola FIHARIANA ho fanatanterahana ny tetikasan’izy ireo.

Rovan’i Manjakamiadana : orinasa 4 no hisahana ny fanarenana

0
Orinasa lehibe 4 no nahazo ny antoka ho fanarenana ny Rovan’i Manjakamiadana taorian’ny tolobidy nataon’ny fitondram-panjakana ny volana aogositra lasa teo. Tsy maintsy ho vitaina mialohan’ny 26 jona 2020 ny asa araka ny nampanantenaina, hoy ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina.

« 3ème Forum National Urbain » : hotontosaina ny faha-07, 08 , 09 Oktobra

0
Hotontosaina ny faha-7, 8 , 9 ny volana oktobra izao ao amin’ny village Voara Andohatapenaka ny 3eme Forum National Urbain, izay hiresahana ny fampivoarana ny tanan-dehibe. Lohahevitra maro samihafa no hivoitra mandritra ny hetsika ankoatran'ireo trano eva.

Tetikasan’ny Filohampirenena : miroso ny fanatanterahana

0
Miroso amin’ny fanatanterahana ny fampanantenany sy ny velirano nataon’ny tamin’ny vahoaka Malagasy ny Filohan’ny Repoblika RAJOELINA Andry. Tany Mahajanga izy sy ieo mpikambana maro ao anatin’ny governemanta androany nanomboka ny velirano nataony tamin’ny vahoakan’i Mahajanga.

Fiparitahan’ny laza adina : nametraka fitoriana ny MESUPRES

0
Fanakorontanana no nandikan’ny minisitry ny fampianara ambony sy ny fikarohana siantifika ny fiparitahan’ny laza adina nandritra ny fanadinana bakalorea. Tsy maintsy hotohizana ny fanadihadina ka hampiharina ny sazy mifandraikitra amin’izany.

Fanadiovana – Tatatra Anosibe : mitazam-potsiny ny CUA nandritra ny 2 taona

0
Mitazam-potsiny ny fanadiovana ny tatatra fivoahan-drano eny ANOSIBE ny kaominina Antananarivo Renivohitra nandritra ny 2 taona mahery izao. Ny fokontany tamin’ny alalan’ny rafitra RF2 hatrany no nisahana ny fananadiovana hatrizay.

Tsena VMMM : hitety kaominina maro

0
Rahampitso ao amin'ny kaominina Alasora no hisantaran'ny Vehivavy Malagasy Miara-Miainga ny tsena VMMM amin'ity taona ity, tsena ho an'ny rehetra ity karakaraina ity ho fanampiana ireo ray aman-drein'ny mpianatra amin'izao ankatokin'ny fidiran'ny mpianatra izao.

Baccalauréat : voasambotra ny tambazotra tompon’antoka tamin’ny famoahana laza adina

0
Voasambotra ny tambazotra tompon’antoka tamin’ny famoahana ny laza adina ho an’ny sokajy A ny baccalurét 2019, hoy ny minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa androany. Nandraisana fepetra avy hatrany ihany koa ny tsy fahatomombanana nandritra ny fanadinam-panjakana, toy ny teny amin’ny LTP Alarobia.

TANAMASOANDRO : honerana amin’ny lafiny rehetra ireo mponina voakasika

0
Horaisin’ny fanjakana an-tanana avokoa ny mikasika ireo tompona tany sy tanimbary ary ireo manana asa voakitikitiky ny fananganana ny Tanamasoandro, amin’ireo kaominina voakasika. Hanomboka ny fanonerana vola azy ireo, ankoatr’izay laharampahamehana ihany koa ny fanomezana asa sy ny fisitrahan’izy ireo trano fonenana amin’ny fanorenana ho atao. Efa miroso ny dingana rehetra amin’izany ankehitriny.

Minisitra – MAE : tontosa androany ny famindram-pahefana

0
Ny praiminisitra Ntsay Christian no notendren’ny Filohan’ny Repoblika ho minisitry ny raharaham-bahiny mpisolo toerana. Tontosa androany ny famindram-pahefany teo aminy sy ny minisitra teo aloha Naina Andriatsitohaina.