Accueil 2019 octobre

Archives mensuelles: octobre 2019

Fanatanterahana ny tetikasa Tana-Masoandro : mizotra araka ny tokony ho izy

0
Mizotra araka ny tokony ho izy amin’izao fotoana izao ny fanatanterahana ny tetikasa Tana-Masoandro. Androany, nihaona tamin’ireo tomponandraikitry ny tetikasa ireo tompon-tany, izay resy lahatra fa hivarotra ny tanin’izy ireo amin’ny fanjakana.

Governora Analamanga

0
Nidina nijery ifotony ny asa fanamboarana ny lakandrano eny amin’ny fokontany Besarety Antananarivo Renivohitra firaisana faha-3 androany ny governoran’Analamanga RASOAMAROMAKA Hery, noho iny faritra iny dibo-drano foana rehefa fotoannn’ny orana.

Forum 2ème jour

0
Misokatra amin’ny fifanantonana sy ny fifampiresahana rehetra ny eo anivon’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy, manoloana ny raharaha fananganana ny Tanamasoandro sy ireo tetikasa hafa hotontosaina ; araky ny nambaran’ny tomponandraikitra androany, nandritry ny andro faharoan’ny 3ème Forum National Urbain, tontosaina etsy amin’ny Village Voara Andohatapenaka. Nisy androany ny famelabelaran-kevitra narahina adihevitra, nandraisan’anjaran’ireo mpisehatra maro anjara. Lohahevitra maro no nojerena nandritra izay, isan’izany ny fananganana trano fonenana an-tanan-dehibe.

Descente Apipa

0
Nidina tao amin’ny fokontany Anosibe Zaivola, ao amin’ny boriboritany faha-6, izay voakasiky ny tetikasa Tana-Masoandro ny maraina teo ny tale jeneralin’ny APIPA. Tamin’izany no nanazavana ny fizotry ny tetikasa sy ny fanonerana hatao amin’ireo izay voakasika.

3ème Forum National Urbain : tontosa nanomboka androany ka hatramin’ny 09 oktobra

0
Nisokatra amin’ny fomba ofisialy androany, ary aharitra 3 andro ny Forum National Urbain andiany faha-3; izay tontosaina ao amin’ny village Voara Andohatapenaka. "Tanan-dehibe, fanoitra ho amin’ny fampandrosoana haingana sy moderina an’i Madagasikara" no lohahevitra amin’izany. Nanamafy ny minisitra Hajo Andrianainarivelo nandritry ny fanokafana fa zava-dehibe ho an’I Madagasikara ny fampandrosoana ny tanan-dehibe. Hetsika maro no hotontosaina mandritra ity fikaonan-doha nasionaly ity.

RAJOELINA Andry : nitsidika ny teny amin’ny seranan’Ivato

0
Araka ny efa nambaran’ny Filohan’ny Repoblika RAJOELINA Andry nandritra ny fandaharana manokana tao amin’ny fahitalavi-pirenena alina, dia nitsidika teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny Filohan’ny Repoblika RAJOELINA Andry, manoloana ny fitarainana amin’ny fomba fiasa eny amin’ity seranana ity.

Delegasiona MEDEF : noraisin’ny Filoha teny amin’ny Lapan’Iavoloha

0
Noraisin’ny Filohan’ny Repoblika RAJOELINA Andry teny amin’ny Lapan’Iavoloha io maraina io ireo delegasionina avy amin’ny MEDEF na ny Mouvement des entreprises de France. Ny taona 2005 no tapaka ny fiaraha-miasa tamin’ireto mpandraharaha lehibena orinasa frantsay ireto saingy izao niverina izao indray.

Filohan’ny Repoblika : mitsinjo hatrany ny vahoaka Malagasy

0
Teboka maro no nisongadina tao anatin'ny fanadaharana manokana nataon'ny filohan'ny repoblika alina manodidina ny raharaham-pirenena. Fanehoana hatrany fa mitsinjo sy akaiky ary mihaino ny vahoaka Malagasy ny Filohampirenena raha ny fanehoan-kevitra azo androany.

Kaominina Tanjombato : kandidà Ben’ny Tanàna i RANDRIANARIBENJA Christophe

0
Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy androany ny firotsahan-kofidian’ny kandidà RANDRIANARIBENJA CHRISTOPHE mirotsaka amin’ny anaran’ny antoko Malagasy Miara Miainga ao amin’ny kaominina Tanjombato. Fanamby napetrany ny hamerenana an’i TANJOMBATO ho isany kaominina PILOTE any ATSIMONDRANO.

ASIEF 2019 : hanomboka rahampitso any Antsiranana

0
Ho tanterahina manomboka rahampitso Alatsinainy faha-7 oktobra ka hatramin’ny Alahady faha-20 oktobra 2019 any Antsiranana ny fiadiana ny tompondakam-pirenena amin’ireo taranja fanatanjahantena ho an’ny mpiasam-panjakana.