mercredi 08 mai 2024
Accueil 2020 janvier

Archives mensuelles: janvier 2020

Ampamarinana sy ny manodidina : toerana maro no voasokajy ho faritra mena

0
Faritra maro eny ambonin’AMPAMARINANA sy ny manodidina no voasokajy ho faritra mena amin’ny mety ho fihotsahan’ny tany indrindra amin’izao fotoam-pahavaratra izao. Nametrahan’ny teo anivon’ny BNGRC saina miloko mena izany androany. Mitaky fahatsapantena ho an’izay tokantrano voakasika avy hatrany arak’izany ny BNGRC ho fisorohana ny loza.

Kianja Barea : hanomboka ny herinandro ho avy izao ny fanamboarana

0
Hanomboka ny herinandro ho avy izao ny asa fanarenana ny kianjan’i Mahamasina na ny Kianja Barea. Ankoatran’ny maha tetikasa fanatsarana sy fampanarahana ny fenitra iraisam-pirenena ny kianja, tafiditra ao anatin’ny fanomanana ny fankalazana ny faha-60 taona niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara ny tetikasa.

Morondava : manahy ny hisian’ny korontana ny mponina

0
Olona miisa 06 no namoahan’ny Procureur ao Morondava didy fampisamborana omaly, ka isan’izany ny kandida ben’ny nitarika tamin’ny voka-pifidianana vonjimaika navoaky ny CENI farany teo. Miantso ny mpitondra fanjakana ny mponina any an-toerana hijery akaiky ny toe-draharaha. Ny ao Morondava izay efa manomboka mafana amin’izao fotoana raha ny fanadihadiana natao.

Fetin’ny faran’ny taona sy ny taom-baovao: miisa 255 ireo niditra tao amin’ny HJRA

0
Nahitana fihenana raha oharina tamin’ny taona lasa ny isan’ireo olona niditra tetsy amin’ny Hopitaly HJRA tamin’ny fetin’ny faran’ny taona sy taom-baovao teo. Ny accident à responsabilité civil no maro an’isa tamin’izany izay nahatratra 96.

Fihotsahan’ny tany : tokony ho mailo ny rehetra

0
Tranga hita matetika mandritra ny vanim-potoan’ny fahavaratra tahaka izao ny fihotsahan’ny tany. Manoloana izany efa nisy ny fandraisana andraikitra nataon’ny teo anivon’ny BNGRC ho an’ireo toerana mety hitrangan’izany.

HCC : volavolan-dalàna 6 mbola miandry fankatoavana

0
Volavolan-dalàna enina no mbola miandry ny fankatoavan’ny fitsarana avo momban’ny lalam-panorenana ankehitriny. Isan’izany ny lalàna laharana faha 2019 tsipika aotra aotra valo mifehy ny ady amin’ny herisetra. Ny andinindininy mahakasika izay.

« Mercure » sandoka : olona 2 no voasambotra

0
Lehilahy miisa 02 no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny CSP Alasora ny alatsinainy faha 30 desambra 2019 lasa teo rehefa avy nisoloky olona mpivady tamina merikiora sandoka. Fantatra fa ny volana oktobra 2019 no nisy lehilahy lehibe 01 milaza ho manana merikiora milanja 03 kilao tao Ambositra ary mitady olona hividy izany.

2020 : handrasana ny fanendrena ny governemanta vaovao

0
Andro vitsy sisa no isaina, mialohan’ny hanaovan’ireo mpikambana 22 eo anivon’ny governemanta ankehitriny ny tatitr’izay erin-taona niasana izay. Handrasana ny fisian’ny mpikambana vaovao ao anatin’izany governemanta izany amin’ity taona 2020 ity.

Zandary nitifitra olona : mitohy ny fanadihadiana

0
Tohin’ilay raharaha teny Ivato izay namoizana ain’olona vokatry ny tifitra nataona Zandary, nitondra fanazavana ny solotenan’ny fianakaviana sy ny teo anivon’ny zandarimariam-pirenena. Iraisan’ny rehetra ny hoe : tsy maintsy hampiharina ny lalàna ka ho saziana araka izany ireo nihoa-pefy. Ny solotenan’ny fianakaviana izay nanamafy fa tokony hisy ny fijerena akaiky azy ireo.

Fitsenana ny taona 2020 : nahitana taratra ny firaisan-kinan’ny Malagasy.

0
Na teo aza ny alim-pandihizana sy ny fiaraha-mifaly tamin'ireo toerana fanaovana fety isan-karazany eto Andrenivohitra, tsy latsa-danja ihany koa ny fiaraha-mifaly teo amin'ny samy fianakaviana, na mpiara-miasa, na mpiara-mianatra na mpiara-monina. Samy nifaly sy nifety ny rehetra teo ampiandrasana ny taona vaovao.