dimanche 28 avril 2024

Archives quotidiennes: 3 mars 2020

Raharaha 50.000 Ar : voavaha ny olanan’ireo mpampianatra

0
Nanao fanambarana fa hitaky am-pilaminana ny fitakiana ny zon’ny mpampianatra sy ny mpandraharaha amin’ny fandoavana ny tambin-karama 50.000 Ar ireo mpampianatra ny tolakandro teo. Namaly io fanambarana io avy hatrany ankilany ny minisitra tomponandraikitra ary nilaza fa efa novahana ny olana araky ny tapaka nandritra ny fihaonana tamin’ny praiminisitra.

Mpamokatra malagasy : ilaina ny fanamafisana ny fampiofanana

0
Teboka iray tsy mampandroso vetivety ny sehatry ny famokarana eto Madagasikara ny tsy fahampian’ny fampiofanana ireo mpamokatra. Antony iray ihany koa tsy ahafenoan’I Madagasikara ny fepetra rehetra takian’ny tsena iraisam-pirenena. Misy fiantraikany goavana amin’ny toekaren’ny firenena ny faharatsian’ny kalitaon’ny vokatra.

Tetik’asa IEM : tokony hiaro ny tetik’asan’ny Filoha ireo mpiara miasa aminy

0
Tsy mbola hita taratra ny fijoroan’ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta sy ireo mpiara-miasa akaiky aminy hiaro ny tetik’asan’ny Filoha Andry RAJOELINA. Io no fanehoan-kevitry ny mpampianatra mandalina manokana momba ny lalàna, Dr RAZARANAINA Nome taorian’ny resa-be momba ny zava-bitan’ny Fitondram-panjakana nandritra izay Herintaona izay.

A&C Hotel : nakatona nanomboka androany

0
Tohin’ny fanaovana Saisie teny Ivato ny faran’ny herinandro, nakatona tsy afaka miasa intsony ny A&C hotel nanomboka ny maraina teo. Mitaraina vokatr’izany ireo mpiasa manodidina ny 200 eny an-toerana ary mangataka ny mpitondra fanjakana hijery akaiky ny fiainana sy ny ho avin’izy ireo.