dimanche 28 avril 2024

Archives quotidiennes: 27 mars 2020

Mpampanofa vatana : tsy mbola nahazo ny fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana

0
Tsy mbola nahazo ny fanampiana avy amin’ny tomponandraikitra ireo mpampanofa vatana teto andrenivohitra ho an’ny androany alakamisy. Antony mahatonga izany ny fisian’ny fandaminana mikasika izany, eo ihany koa ny fanangonana ireo anarana sy ny taratasy manamarina ireo mpampanofa vatana ireo. 

Covid-19 : niampy 4 ireo voamarina fa mitondra ny tsimok’aretina

0
  Hatramin’ny 1 ora tolak’andron’ny 26 martsa 2020 teo, nitombo 4 indray ireo olona  voamarina fa tratry ny Covid-19, araka izany niakatra 23 ny isan’ny olona nahitana ny  valan’aretina Covid-19 tao anatin’ny 3 andro.

Antananarivo : faritra 6 nametrahana toeram-pamatsiam-bary ho an’ny mpaninjara

0
Faritra 6 eto Antananarivo sy ny manodidina no nanombohan’ny  minisiteran’ny varotra sy ny indostria ny fametrahana toeram-pamatsiana vary manakaiky ny mpaninjara. Afaka manantona izany avokoa ny tsena kely manara-dalàna amin’ny fokontany manodidina. Ferana 1750 hatramin’ny 1800 ariary ankilany ny kilao hamarotana ny vary amin’ny mpanjifa.

Grevy Toamasina : polisy iray naratra, mpanao gazety iray voatoraka

0
Nidina andalambe ireto mpitondra posy bicyclette ao Toamasina noho ny tsy fahafahan'izy miasa isan'andro mamelona ny vady aman-janany. Nangataka izy ireo mba ahhafahany miasa na dia mitondra olona iray isaky ny mandeha hitsinjovana ny fahasalaman'ny tsirairay. Vokatr’izay, Polisy iray no naratra voatora-bato,  Mpanao gazety iray voatoraka fa tsy naratra.

COVID 19 : Tonga ny fitaovana sy fanafody ho an’i faritra Vakinankaratra

0
Tonga ny fitaovana sy fanafody ho an’i  faritra Vakinankaratra, hampiasaina mandritra ny  vanim-potoana hiadina amin’ny COVID-19. Nisy ihany koa ny fepetra hentitra noraisina mahakasika ny fiara fitanteram-bahoaka mihazo ny faritra vakinanakaratra.

« Equipements Médicaux » : tonga omaly hariva teny Ivato

0
Omaly ariva no nigadona teny amin’ny seranam-piara-manidina Ivato ireo Equipements Médicaux entina hisorohana ny fiparitahan’ny valan’aretina Covid-19. Fanampiana avy amin’ny fikambanan’ilay teratany sinoa Jack Ma hoan’ny firenena aty Afrika. Ary i Madagasikara isan’ireo nisitraka izany, ny filohampirenena sy ny solontenan’ny OMS no nitsena izany teny an-toerana.

Valan’aretina Coronavirus : mila hamafisina ny fanentanana sy ny fampahafantarana

0
Maro amin’ireo olona eny amin’ny tontolo ambanivohitra no tsy mahalala ny valan’aretina Coronavirus, ny fisehony sy ny fisorohana tokony atao. Manolona izany, tokony hamafisina ny fanentanana sy ny fampahafantarana amin’ny alalan’ny haino aman-jery sy peta-drindrina.