dimanche 28 avril 2024

Archives quotidiennes: 5 mars 2020

Claudine Razaimamonjy : mangataka ny fampitsaharana ny saisie sy lavanty ny mpisolovava azy

0
Nahemotra amin’ny Alarobia faha-11 ny volana ny didim-pitsarana mahakasika ny fangatahana fampiatona ny fanaovana saisie sy lavanty ireo entana an’i CLAUDINE RAZAIMAMONJY nogiazina.  Tsy nihemotra ankilany ny fanatanterahana ny lavanty izay notanterahana nanomboka androany.

Famotsim-bola : raharaham-barotra no ahitana tranga be indrindra

0
Mbola anatin’ireo firenena arahi-maso hentitra na anaovana  suivi renforcé i Madagasikara momba ny ady manoloana ny famotsim-bola, kolikoly, ary ny fanodikodinam-polam-panjakana. Raharaham-barotra, izay ny 40% mifandray amin’ny resaka fandoavan-ketra no anaovan’ny SAMIFIN fanadihadiana ankehitriny. Maro ny ezaka tsy maintsy atao hanamafisana ny ady atao. Nisy androany ny fiofanana ireo mpisehatra niarahana tamin’ny COMESA.

Minisitry ny Atitany : hanokatra fanadihadiana mahakasika ireo kara-panondro mitovy laharana

0
Nitondra fanazavana mahakasika ny fanambarana nataon’ny CENI momba ireo aharana kara-panondrom-pirenena mitovy laharana ny minisitry ny Atitany androany. Hiroso amin’ny fanadihadiana izy ireo raha ny fanazavana.

CENI : nitondra fanazavana mahakasika ireo laharana kara-panondro mitovy

0
Mazava ny voalazan’ny CENI nandritra ny valandresaka nifanaovany tamin’ny mpanao gazety androany, fa tsy misy fiantraikany amin’ny voka-pifidianana ny fisian’ireo olona mitovy laharana kara-panondro. Efa nisy teo aloha ny tsy fahatomombanana mahakasika ny lisi-pifidianana tahaka izao ary ny hanatsarana izany indrindra no antony nanaovan’izy ireo ny tatitra ny zoma lasa teo.

Antenimiera : nanomboka androany ny fivoriana tsy ara-potoana

0
  Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy androany teny amin’ny lapan’ny Antenimierampirenena ny fivoriana tsy ara-potoana atrehin’ireo solombavambahoaka sy ny fivoriana tsy ara-potoana ho an’ireo Antenimierandoholona. Ny fankatoavana ny didy hitsivolana noraisin’ny filohampirenena no lahadinika ao anatin’ity fivoriana ity.