dimanche 28 avril 2024

Archives quotidiennes: 9 mars 2020

Fankalazana ny andron’ny vehivavy : hetsika maro no nanamarihina izany

0
Fa efa omaly  07 Martsa raha tsiahivina no efa nanomboka ny hetsika fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy tany amin’iny faritra Atsimo Andrefana iny. Hetsika maromaro no nanamarihin’ny vadin’ny filohan’ny Repoblika Mialy Rajoelina izany ny andron’ny omaly. Taterina aminao ato anatin’ny fanadihadiana ny antsipirihin’ izay .

Vehivavy voafonja – Antanimora : nisitraka fanampiana maro

0
Tonga nanome fanomezana ireo vehivavy voafonja eny Antanimora ny fikambanam-behivavy  « Grand sud Est Mahavagno » sy tomponandraikitry ny fonja androany, nentina nanamarihana ny andron’ny vehivavy. Entana ilaina amin’ny andavanandro no nomena tamin’izany. Zava-dehibe ny fanampiana ny  vehivavy voafonja raha ny fanazavana entina hampaherezana azy ireo.

Fankalazana ny andron’ny vehivavy : notontosaina tany amin’ny faritra Atsimo Andrefana

0
08 Martsa 2020. Ankalazaina manerantany androany ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy. Ho antsika teto Madagasikara, tany amin’ny faritra Atsimo Andrefana no nanamarihina izany. Fiovana azo tsapain-tanana eto amin’ny firenena, vokatry ny ezaky ny vehivavy Malagasy no andrandraina hoy ny vadin’ny Filohan’ny Repoblikan’I Madagasikara , Mialy Rajoelina .