dimanche 28 avril 2024

Archives quotidiennes: 24 mars 2020

Mpitandro filaminana : hentitra amin’ny fampiharana ny baikon’ny Filohampirenena

0
Hentitra tamin’ny fampiharana ny baiko sy ny toromarika nomen’ny Filohampirenena alina ny teo anivon’ny mpitandron’ny filaminana. Mijanona ireo taksibe sy taxi, arahi-maso ny fifamezivezen’ireo fiaran’olon-tsotra, entanina ny olompirenena.

« Centre opérationnel de commandement » : tafapetraka eny Ivato

0
Tafapetraka tamin’ny fomba ofisialy androany teny Ivato ny « centre opérationnel de commendement », ivon-toerana mandray andraikitra mivantana mahakasika ny ady atao amin’ny COVID-19. Hampiasaina ihany koa ny village voara etsy Andohotapenaka raha mitombo ireo olona voan’ity valan’aretina ity hoy ny filoha. Hamafisina hatrany ny ady atao amin’ity valan’aretina hoy ny filoha.

Fisorohana ny Covid-19 : maro ny mampiasa tampim-bava vita amin’ny lamba

0
Nitombo ny olona mampiasa tampim-bava taorian’ny fanambarana nifanesy momba ny Covid-19 nataon’ny filohan’ny repoblika. Saika ahitana izany avokoa na izany eny andalana, eny antsena sy ny marohafa. Maro amin’izay ny tampim-bava namboarina vita amin’ny lamba. Manomboka amin’ny fanamboarana azy, ny fepetra sy ny toromarika amin’ny fampiasana ny tampim-bava. Izay indray no arahinao anatin’ity fanadihadiana manaraka ity.

Kininim-potsy sy mandrava-sarotra : betsaka no lasa mivarotra azy eny an-tsena

0
Fa nitombo ireo mivarotra kininim-potsy sy mandrava-sarotra ankehitriny. Fianakaviana iray lasa mivelona amin’ny famarotana izany nanomboka ny Sabotsy lasa teo no arahintsika ato anatin’ity fanadihadiana manaraka ity. Mahalafo 1 gony fara-faha keliny isan’andro izy ireo raha ny fanazavana.

Tsenam-pokontany : voahaja ny ora napetraky ny Filoham-pirenena

0
Andro voalohany taorian’ny fanambaran’ny filoham-pirenena mikasika ireo tsenam-pokontany. Saika voahaja avokoa ny ora fisokafana sy fidin’izy ireo. Nanaja izany na ny mpivarotra na ny mpividy. Etsy ankilany, nanomboka androany ihany koa ny tsena mora isaky ny fokontany raha ny teto Antananarivo renivohitra.