samedi 21 septembre 2024

Archives quotidiennes: 13 mars 2020

Coronavirus : tsy mbola manidy ny sisintaniny i Madagasikara

0
Tsy mbola manidy ny sisintaniny i Madagasikara saingy hamafisina ny fisorohona rehetra . Izay raha ny nambaran'ny minisitry ny fitaterana , ny fizahantany sy ny famatarana ny toetr'andro sy ny minisitry ny fahasalamam-bahoaka androany nandritry ny fihaonan'izy ireo tamin’ ny solombavambahoakan'i Madagasikara teny amin'ny antenimieram-pirenena.

“Recouvrement des avoirs illicites » : manao antso avo ny handaniana ny didy hitsivolana ny maro

0
Tsy mitombona ny filazan’ny filohan’ny antenimierandoholona fa tsy ampy ny fotoana nandinihana ny volavolan-dalàna mikasika ny famoriana ireo harena azo tamin’ny tsy ara-dalàna sy tsy ara-drariny, raha ny nambaran’ny CSI, na ny Comité pour la sauvegarde de l’intégrité androany. Mahavoasazy an’I Madagasikara anefa ny tsy fandaniana io didy hitsivolana io. Manao antso avo amin’ ny praiminisitra sy ny solombavambahoaka manoloana io ireo sampandraharaha miady amin’ny kolikoly, hampiatra ny voalazan’ny lalam-panorenana ahafahana hiharan’ity didy hitsivolana ity.

Fiatrehana ny Coronavirus : nahazo 3 Tapitrisa sy 6 hetsy dolara i Madagasikara

0
Nahazo famatsiam-bola mitentina 3 Tapitrisa sy 6 hetsy dolara avy amin’ny banky iraisam-pirenena hiatrehana ny fihanaky ny Coronavirus i Madagasikara. Hizara 2 mazava ny ampiasaina ny vola ka laharampahamehana anatin’izany ny fanamafisana ny fanaraha-maso.

Vehivavy manana fahasembanana : hahazo fiofanana hanatsarana ny fari-piainana

0
Vehivavy manana fahasembanana miisa 600 manerana an’i Madagasikara no hisitraka fiofanana hahafahan’izy ireo mivelatra sy mivoatra ary mihary harena amin’ny fomba Malalaka. Mandritra ity taona 2020 ity no hanatontosana ny fanofanana azy ireo, ary afaka hizara izany amin’ny manodidina ihany koa izy ireo aorian’izany.