Accueil 2020 août

Archives mensuelles: août 2020

Coronavirus : 10 hatramin’ny 15 isa sisa ireo mpianatra zandary mitondra izany ao Ambositra

0
Miisa 10 hatramin’ny 15 isa ankehitriny ireo mpianatra ho zandary mitondra ny tsimokaretina Coronavirus raha toa ka manodidina ny 263 izany teo aloha. Ny fandraisana an-tanana ireo mpianatra marary tao anatin’ny fotoana aingana eo ihany koa ny fiaraha-mihentan’ny teo anivon’ny zandarimariam-pirenena no nahafana nitsabo ireo mpianatra sitrana ireo.

Ady amin’ny Coronavirus : « concentrateur d’oxygène » miisa 563 no efa tonga

0
Nigadona tao amin’ny seranam-piaramanidina Ivato androany marina ny fitaovana maro entina miady amin’ny valan’aretina covid-19. Fitaovana toy ny concentrateur d’oxygène sy ny masque à oxygène à haute concentration miisa 563 izany haparitaka any amin’ireo faritra maro ahitana ny tsimonkaretina coronavirus.

Hampindrana tany ny tantsaha ny minisitera

0
Ahitana vokatsoa ny fampiarahana ny fanamaintsoana sy ny fampiasana ny hazo amin’ny filana , amin’ny fanodinana ny ento-menaka. Isany nahitana izany ny tany amin’ny faritra Matsiatra ambony. Ny tsy fahampian’ny tany entina manantanteraka izany anefa no olana ho an’ireo mpamokatra. Hisy arak’izany ny fametrahana fiaraha-miasa amin’ireo mpandraharaha na tantsaha amin’ny fampindramana ny tanin’ny Ministera izay hametrahana ny tanjona fanamaintsoana no sady tsy misakana ny rohim-pihariana. 

MATP: nidina ifotony nanantontosa fanisana sy fanadihadiana

0
Fokontany 7 amin’ny boriboritany fahatelo no hiandraiketan’ny ministeran’ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy amin’ilay lamina vaovao entina hanamboarana ny lisitra vaovaon’ireo mponina hisitraka ilay fanampiana « sosialim-bahoaka ». Nitohy tamin’ity androany ity ny fanaovana fanadihadiana sy fidinana nataon’ireo mpiasan’ny ministera. Tanatin’ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana tanteraka ny nanantontosana izany.

Hypochlorite de Calcium : tsy maharaka ny toeram-pamokarana azy

0
Isany akora simika ampiasaina amin’ny famendrahana ranom-panafody sy ny fanadiovana amin’izao fotoana izao ny HYPOCHLORITE DE CALCIUM. Tsy maharaka ny famokarana izany nandritra ny fotoana nampirongatra ny Covid-19 araka ny fanazavana azo avy amin’ny orinasa mpamokatra nanaovana fanadihadiana. Ampy hiatrehana ny 6 mbolana manaraka ankilany ny Stock de prepositionnement raha ny eo anivon’ny BMH manokana.

Kaominina Soavina : nitrangana fanafihana in-telo tao anatin’ny 48 ora

0
Mandry tsy lavo loha ny mponina ao amin’ny kaominina Soavina, distrikan’Atsimondrano vokatry ny tsy fandriam-pahalemana. In-telo nisy nanafika ny tanàna tao anatin’ny 2 andro. Ankoatry ny fangalarana, niharan’ny herisetra ihany koa ireo tao an-tokantrano.

Anjanahary : andrasana ny fefy manasaraka ny fasana amin’ny Fokontany Soavinandriana

0
11 ny matin’ny Covid-19 milevina eny amin’ny Fasam-bahiny Anjanahary hatreto. Raha anaty Fosse Provisoire ny 9, anaty Caveau Familial ny 2 ambiny. Hiitatra manakaiky ny Fokontany Soavinandriana anatin’ny boriboritany faha-3 ny fandevenana ny matin’ny Covid-19 arakaraka ny fivoaran’ny tarehimarika raha ny fanadihadiana natao. Manahy ny  mety ho fiparitahan’ny valan’aretina manoloana io ny mponina ary miantso ny fandraisana fepetra haingana momba izany.

Anjanahary : ny tompo-manjo no mikarakara ny fandaminana amin’ny fandevenana

0
11 miarahalahy no miantoka ny fiambenana sy ny fibatana ny razana eny anivon’ny Fasam-bahiny Anjanahary. Raha mafy ny asa ho azy ireo hatramin’ny nisian’ny Covid-19, tsy araka ny tokony ho izy ny fitaovana am-pelatanana. Ny tompomanjo ihany arak’izany no mikarakara ny fandevenana eny Anjanahary araka ny lamina napetraka.

Andry RAJOELINA : nitondra fanampiana sy fitaovana ho an’ny faritra Matsiatra Ambony

0
Tao amin'ny Gymnase Ambatomena no nanomboka ny fizarana ny Vatsy tsinjo sy ny Tosika Fameno andiany faharoa ho an'ny Kaominina ambonivohitr'i Fianarantsoa. Novatsiana fitaovana sy fanafody ihany koa ireo CSB sy Hopitaly hahafahana manohy ny ady atao amin’ny COVID 19.  

SOS Taxi : maimaim-poana ny fandehanana aminy amin’ny ora voafaritra

0
Ho fanampiana  ireo olona marefo sy sahirana amin’ny fanatonana mpitsabo amin’izao valan’aretina Covid-19 izao, napetraka nanomboka omaly ny SOS Taxi. Maimaim-poana ny fitaterana ireo marary  manomboka amin’ny 8 ora alina hatramin’ny 12 ora alina.  Tsy maintsy atao kosa ny fandrarahana fanafody aorian’ny fitondrana marary. Fikambanana tsy miankina iray no nanao izany fanampiana izany.