vendredi 26 avril 2024
Accueil 2020 novembre

Archives mensuelles: novembre 2020

Oniversiten’Antananarivo : manomboka ny taom-pianarana 2019-2020

0
Manomboka amin’ity volana Novambra ity  ny taom-pianarana 2019-2020 vokatry ny fipariahan’ny valanaretina Covid-19. Fifandaminana isaky ny departemanta ny fanatratrarana ireo fandaharana rehetra.

LFI : mila hafainganina ny fanolorana azy ny solombavambahoaka

0
Efa tonga eny anivon’ny Antenimieram-pirenena ny volavolan-dalàna hifehy ny tetibolam-panjakana ho an’ny taona 2021. Tsy mbola voarain’ny solombavambahoaka izay handinika azy mialohan’ny fandaniana na ny fanitsiana samihafa ankilany izany araka ny fanadihadiana androany. Tokony hafainganina ny fanolorana azy ny solombavambahoaka hanamorana ny dinika sy ny fifandresen-dahatra ihaonany amin’ny fahefana mpanatanteraka momba izay, raha ny fanazavana hatrany.

Faritra Atsimo : mitombo isa ireo olona KERE sy ny faritra tsy ahitana rotsak’orana

0
Mitombo isa ireo faritra ahitana KERE any atsimon’ny Nosy vokatry ny tsy fisian’ny rotsak’orana tao anatin’ny volana maro. Isan’izany ny nitranga tao Tsivory ny herinandro lasa teo. Olona mihoatry ny 5000 no niakatra ao an-tampon-tananan’i Tsivory ary nilaza fa tsy misy  ho hanina intsony.  

CIM : nisy ny lamina vaovao napetraka

0
Tsy tokony hisy intsony ny filaharana amin’ny fikarakarana taratasy eny amin’ny CIM Ambohida. Manomboka izao, araka ny lamina napetraka, tsy maintsy amin’ny alalan’ny Rendez-vous na fakana fotoana no ahafahan’ny olona tonga eny an-toerana mikirakira taratasy familiana fiarakodia.

Mpitondra « moto » : tokony hanana « permis de conduire » avokoa

0
Tokony hanana fahazon-dalana hamily avokoa ireo mpitondra  « moto » rehetra hampihenana ny lozam-pifamoivoizana raha ny fanadihadiana natao tamin’ity androany ity. Maro amin’ireo moto voasoratra ho latsaky ny 50CC amin’ny papier no tsy arak’izay ny tanjany fa novaina hoy ny fanehon-kevitry ny « mécanicien ».

Fandaniam-bolan’ny minisitera : ilaina ny fametrahana ny laharam-pahamehana

0
Ilaina ny fametrahana ny laharam-pahamehana amin’ny fandaniam-bola eny anivon’ny minisitera isan’isany indrindra amin’izao fotoana fiatrehana ny fipariahan’ny valanaretina Covid-19 izao. Tsy tokony hisy ny fandanidaniam-bola hoy ny mpandinika fiainam-pirenena nanaovana fanadihadiana. Azo itodihana ihany koa ny “réaménagement budgétaire “ .

1 Novambra : maro ny tonga nanati-boninkazo teny amin’ny Fasan’Anjanahary

0
Olona maro no tonga nihazo ny fasan-drazana androany voalohan’ny volana novambra. Isany tomefy olona ny teny amin’ny Fasan’Anjanahary nanaovana fanadihadiana. Saika ny salan-taona rehetra no tazana nitondra ny mari-pahatsiarovana sy nangata-tsodrano tamin’ireo razam-be. Ankoatr’izay, maro ihany koa no nanararaotra nijery ny fanamboarana tokony hatao amin’ny fasany androany.

Randrana sendikaly : nitaky ny hanampiana ireo mpiasa amin’ny sehatra tsy miankina

0
Nanao hetsika hitakiana sy hanampiana ireo mpiasa amin’ny sehatra tsy miankina sy ireo mpiasa miasa ho an’ny fanjakana ECD nandritra iny hamehana ara-pahasalamana iny ny Randrana Sendikaly. Androany no namehezana ny atrik’asa natao izay nandritra ny telo andro niarahana tamin’ny CNAPS.

Ampasimbe Manantsatrana : mangataka ny hananganana sekoly manara-penitra ny mponina

0
Tsizarizary ny trano fianarana ao amin’ny Lycée Ampasimbe Manantsatrana, Fenerive-Est. Ahiana hiteraka fihatohan’ny fampianarana any an-toerana ny fotoam-pahavaratra ho avy noho izay. Manao antso avo ny hananganana fotodrafitr’asa manara-penitra any an-toerana manoloana io ireo tomponandraikitra any an-toerana.

Fizahantany anatiny : mampiasa ny “package “ ireo mpikarakara dia

0
Entina mampiroborobo ny fizahantany anatiny, miditra amin’ny fampiasana ny package izay natokana teo aloha ho an’ny mpizahantany vahiny ireo mpikarakara dia. Manomboka amin’ny 350000 ar ny vidin’izany isan’olona raha ny fanadihadiana natao.