Accueil 2020 novembre

Archives mensuelles: novembre 2020

Bealanana : tanora miisa 42 nahavita fiofanana hanamboatra lalana

0
Miisa 42 ireo tanora nahazo fiofanana hamaky vato, hamaky sy hametaka Pavé ao Bealanana. Fiofanana izay nokarakarain’ny minisiteran’ny fampianarana teknika sy ny fampiofanana arak’asa sy ny solombavambahoaka voafidy tao an-toerana. Afaka miasa avy hatrany ireo tanora ireo ary manana ny traikefa takiana amin’izany.

Ambohiponana – Manandona : toerana mahasarika mpizahatany maro

0
Anisan’ireo toerana mahasarika mpizahatany sy toerana mananan-tantara ao amin’ny faritra Vakinankaratra ny kaominina Manandona izay ahitana ny  Rovan’i Ambohiponana sy ny riandrano Ambodiriana. Ny mahakasika io toerana io noharahinao anatin’ity fanadihadiana ity.

Rofia sy taretra gasy : mahavelona ankohonana maro

0
Azo hatao tsara ny manome lanja ny rofia sy ny taretra gasy amin'ny alalan'ny fanamboarana tapis na lafika haingon-trano any toamasina. Fianakaviana maro no mivelona amin’izany ary mahavelona tanteraka raha ny fanazavana.

Kabesoron’i Ampanjaka TOERA : haverina eto Madagasikara

0
Isan’ny fanamby napetraky ny filohan’ny repoblikan’i Madagasikara nandritra ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ny Rovan’i Madagasikra sy ny lapan’i Manjakamiadana ny hamerenana eto an-tanindrazana ny kabeson’i Ampanjaka TOERA avy any Menabe. Hemerin-kasina ny any an-toerana ny fiverenan’izany raha ny fanazavana.

Lapan’i Manjakamiadana sy lapan’i Besakana : natolotra tamin’ny fomba ofisialy androany

0
Androany maraina teny Anatirova, no natolotra tamin’ny fomba ofisialy ny fanarenana ny lapan’i Manjakamiadana sy ny Lapan’i Besakana. Nanatrika izany ny filohan’ny repoblikna’i Madagasikara RAJOELINA Andry mivady. Fampitana ny tantara ho an’ireo tanaraka amam-para no anton’ny fanorenana ary fanandratana indray ny ambompom-pirenena. Manomboka izao, Rovan’i Madagasikara no iantsona ny Rovan’i Manjakamiadana hoy ny Filoha.

Fahavitan’ny Rova : mipetraka ho tantara ho an’ny taranaka

0
Mipetraka ho tantara ho an’ny vahoaka Malagasy ny fahavitan’ny fanatsarana ny Rova raha ny fanehoan-kevitry ny olompirenana sy ny olom-boafidy androany teny Anatirova. Manandratra indray ny ambompom-pirenena izao raha ny fanazavana.

Madagasikara : tonga ny Satro-boninahitry ny tatarom-piandrianan’ny mpanjakavavy Ranavalona faha III

0
123 taona aty aoriana, tafaverina amin’i Madagasikara ny Satro-boninahitry ny tatarom-piandrianan’ny mpanjakavavy RANAVALONA Faha-3. Nisy ny lanonana manetriketrika nandraisana izany androany ary napetraka ao amin’ny Rovan’i Manjakamiadana. Ny satro-bonihatry ny tatarom-piandrianan’ny mpanjakavavy RANAVALONA faha-3 izay mariky ny fiandrianam-pirenena.

Fiverenan’ny vakoka : zava-dehibe ho an’ny Malagasy

0
Zava-dehibe ho an’ny tantaram-pirenena ny fiverenan’ny vakoka tahaka izao hoy ny fanehoan-kevitry ny olompirenena nandritra ny fitsenana sy ny fametrahana ny Satro-boninahitry ny Tatarom-piandrianan’ny mpanjakavavy RANAVALONA Faha-3 androany. Mamerina ny ambom-pom-pirenena izany raha ny fanazavana.

« Nouvelle ville »: hatsangana eny Imeritsiatosika

0
Eny Imeritsiatosika no hananganana ilay tetikasan'ny filohan'ny Repoblika « Nouvelle ville Tanamasoandro » na tanàna vaovao raha ny nambaran'ny minisitra lefitra misahana ny tanana vaovao sy ny toeram-ponenana. Mora kokoa ny dingana fanantanterahana izany any an - toerana araka ny fanazavana raha mitaha amin'ny fikasana anangana izany teny Ambohitrimanjaka.

LFI 2021 : 4 165 Lavitrisa Ariary no andrasana amin’ny fampidiran-ketra ny taona ho avy

0
Manodidina ny 4 165 Lavitrisa Ariary ny vola andrasana amin’ny fampidiran-ketra ny taona ho avy araka ny voafaritra anatin’ny lalàna hifehy ny tetibolam-panjakana ho an’ny taona 2021. Lafin-javatra maro no ilaina fanarenana hanatrarana ny fanamby, hoy ny minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola. Tafiditra anatin’izay ny fametrahana ny tetikasa ANJARA HETRAKO, izay natomboka tamin’ny fomba ofisialy teny Ambohidratrimo.