Accueil 2021 mars

Archives mensuelles: mars 2021

Lisi-pifidianana : ambany ny tahan’ny vehivavy voasoratra anarana

0
Ambany raha oharina amin’ny isan’ny vehivavy eto Madagasikara ny isan’ireo vehivavy voasoratra ara-dalàna ao anaty lisi-pifidianana raha ny nambaran’ny CENI androany. Ankoatra ny tsy fahampian’ny fanentanana, isan’ny antony mahatonga izany ihany koa ny fomba amam-panao Malagasy izay tsy mbola manome lanja tanteraka ny vehivavy.

Covid-19 : ahiana hirongatra raha tsy mandray fepetra hentitra isika

0
Ahiana ny mety hampirongatra indray ny valan’aretina Covid-19 eto amintsika raha tsy miroso amin’ny fandraisana andraikitra hentitra sy fampiharana ireo fepetra sakana amin’ny mafimafy kokoa isika raha ny nambaran’ireo mpitsabo. Raha ny hita, miha miakatra hatrany ny antontan’isan’ireo olona voamarina fa mitondra ny tsiomok’aretina Coronavirus ka isan’ny faritra nahitana fiakaran’ny salan’isa i Mahajanga.

Governemanta Frantsay : hahemotra ny fandoavan’i Madagasikara ny trosa mitentina 1 647 221,78 €

0
Nanantontosa fanaovan-tsonia fanemorana ny fandoavana trosa omaly  ny governemanta Frantsay sy ny governemanta Malagasy. Trosa mitentina maherin’ny 1 600 000 Euros, tamin’ny alalan’ny Agence Française de Développement no voakasik’izao fanemorana izao. Fanehoan’ny governemanta Frantsay fanohanana an’i Madagasikara manoloana ny krizy manerantany nateraky ny Covid-19 izao fanaovan-tsonia izao raha ny fanazavana.

Banky iraisam-pirenena : nanolotra famatsiam-bola fanampiny 150 Tapitrisa dolara

0
Nanolotra famatsiam-bola fanampiny mitentina 150 Tapitrisa Dolara ho an’i Madagasikara ny Banky iraisam-pirenena ary notanterahina androany teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha ny fanaovan-tsonia fifanarahana. Famatsiam-bola natokana hanohizana ireo tetikasa fiahiana ara-tsosialy efa nataon’ny fitondram-panjakana.

Nosy Be : manodidina ny 5 isan’andro ny sidina anatiny

0
Tafiakatra 5 isan’andro ankehitriny ny sidina mihazo an’I Nosy be manoloana ny fisokafan’ny fizahantany anaty. Raha ny nambaran’ny tomponandraikitra, tanjona ny hamerenana ny 50%  hatramin’ny 60 % ny sidina anatiny amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny fizahantany anatiny. Nisokatra androany tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina araka izany ny andiany faharoan’ny tsenaben’ny fizahantany.

Lavanila : vinavinaina hiatsara ny vokatra sy ny kalitao

0
Vinavinaina hiatsara ny taom-piotazana lavanila amin’ity taonity ao amin’ny faritra Sofia. Hanatratrarana kalitao ahitana taux de vanilline 3.0 no tanjona raha ny fanazavana. Ity farany izay taha efa tratra tamin’ny famokarana ny taona lasa.

Andron’ny vehivavy : notontosaina tany Atsiranana ny fanamarihana ofisialy

0
Tontosa tany Atsiranana ny fanamarihana ny andron’ny manerantany ho an’ny vehivavy teto Madagasikara, izay notarihin’vadin’ny filoham-pirenena niaraka tamin’ireo fikambanam-behivavy samy hafa. Niavaka ny fanakalazana izany  tamin’ity taona ity manoloana ny fisihan’ny valan’aretina covid-19. Manana ny maha izy azy ny vehivavy ary manana ny zo ny hanapaka sy hanao safidy  raha ny nambaran’ny vadin’ny filohan’ny Repoblikan’I Madagasikara, Mialy RAJOELINA.

Andro maneran-tany ho an’ny vehivavy : hetsika maro no natao teto Antananarivo

0
Samy nanana ny endriny nankalazana ny 08 martsa ny vehivavy teto Antananarivo androany. Tao ireo nanamarika izany, tamin’ny alalan’ny fanatontosana « carnaval », tao ireo nizara fanampiana ho an’ny vehivavy sahirana, tao ireo nanantontosa famelabelaran-kevitra narahana ady hevitra momba ny vehivavy. Isany teboka lehibe nivoitra nandritra izay ny fanamafisana ny ady ho an’ny fisitrahan’ny vehivavy ny zony feno.

Vehivavy sy ny fananan-tany : vitsy no misitraka ny zony

0
15% amin’ny titra ana tany ihany no misoratra amin’ny vehivavy eto Madagasikara, araka ny taha navoakan’ny direction général des services fonciers. Araka io taha io, vitsy ny vehivavy misitraka ny zo amin’ny lafiny fananantany. Teboka maro no anton’izay araka ny nivoitra nandritra ny famelabelaran-kevitra narahina adihevitra notontosaina androany.

Fandovana : tsy tokony ho any amin’ny laharana faha-8 intsony ny vady

0
Ezahina ho tafiditra amin’ny laharana faharoa na fahatelo aorian’ny zanaka ny vady vehivavy raha any amin’ny laharana faha-8 no misy azy araka ny lalàna amin’izao fotoana. Antony namolavolana tolo-dalàna, izay hatolotra ny Antenimierampirenena ka ho dinihina mandritra ny fivoriana ara-potoana voalohany ny volana May ho avy izao, hoy ny Solombavambahoaka namolavola io tolo-dalàna io. Tafiditra anatin’ny fampitoviana zo ny lahy sy ny vavy izany.