vendredi 26 avril 2024

Archives quotidiennes: 2 mars 2021

Tsena Coum 67 Ha : hafindra toerana amin’ity herinandro ity ireo mpivarotra

0
Hanomboka amin’ity herinandro ity famindrana ireo mpivarotra etsy  amin’ny Coum 67 Ha manoloana ny fanamboarana ny tsena tanterahin’ny kaominin’Antananarivo. Nisy ny fifampiresahina teo amin’ireo mpivarotra sy ny tomponandraikitra mikasika ny fandaminana amin’ny fanatanterahina izany.

Fizahantany anatiny : tsy nanonitra ny fatiantoky ny mpisehatra eo amin’ny fizahantany

0
Tsy  namaly ny antso amin’ny fampiroboroboana ny fizahantany anatiny ny malagasy. Tsy nanonitra ny fatiantoka nateraky ny fidin’ny sisintany izany  arak’izany ny fizahantany anatiny raha ny fanadihadiana natao. Mitaky hatrany ny fanokafana ny sisintany, ny mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny fizahantany ary milaza ho vonona amin’ny fanarahana ny fepetra ara-pahasalamana rehetra.

CVO + gélules curatives: an-dalana ny andrana klinika

0
Mandeha araky ny tokony ho izy amin’izao fotoana izao ny dingana rehetra amin’ny andrana clinique ny CVO+ gélule atao hanasitranana ny Covid-19. Efa maro ireo nanolo-tena hanaovana ny handrana raha ny fanazavana. Tsy mbola amidy eny an-tsena ny CVO+ curatif fa aorian’ny fahavitan’ny essaie clinique no hanapahana hevitra ny mikasika izay.

Fidirana eo amin’ny tsenan’ny asa : hisitraka « Plateforme numérique » ny mpianatra Malagasy

0
Mitohy ny fanohanan’ny fanjakana Frantsay ny mpianatra Malagasy. Ankoatran’ny fanatsarana ny fampianarana amin’ny ankapobeny, tetikasa hanamorana ny fidirana eo amin’ny tsenan’ny asa indray androany no nanaovan’ny minisiteran’ny fanabezam-pirenena, ny masoivoho Frantsay sy ny ACCESMAD fifanaovantsoniam-piarahamiasa.

Hetsika Soamandrakizay : mbola miandry fanomezan-dalàna avy amin’ny prefektiora

0
Ny alakamisy izao no ho fantatra na hahazo alalana na tsia ny hetsika fanaovana tatitra kasain’ireo Solombavambahoaka avy amin’ny antoko mpanohitra eny amin’ny kianjan’i Soamandrakizay raha ny fanazavana avy amin’ny prefektioran’Antananarivo androany. Ankilany, tokony hanaja ny mpitondra ireo mpanohitra ary hahay hiandry ny fahataperan’ny fotoam-piasana ka hiandy fifidianana fa tsy vaha olana ny fanonganam-panjakana hoy ny KMF CNOE.

CFM : miahiahy manoloana ny toe-draharaha eto amin’ny firenena

0
Manoloana ny toe-draharaha politika lalovan’ny firenena, manambana indray ny fipoahan’ny Krizy ara-politika sy sosialy eto Madagasikara. Izay no nisongadin’ny CFM na ny Conseil du Fampihavanana Malagasy androany nandritra ny fanokafana ny fivoriana ara-potoana voalohany. Tsy mbola nahitam-bokany ankilany ny fanelanelanana na ny fampihavanana entin’izy ireo hamahana ny olana.