Accueil 2021 juin

Archives mensuelles: juin 2021

Tetezana Ampasika : tsy azo atao ny mandavaka ambanin’ny tetezana

0
Misy mandavaka  hakan’olona fasika ny faritra ambanin’ny tetezana Ampasika. Ahiana hiteraka fahasimbana amin’ny tetezana anefa io ary hitera-doza ihany koa. Nidina teny an-toerana nijery ny zava-misy manoloana io ny teo anivon’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy, ny Apipa, ary ny solontenan’ny kaominina Bemasoandro androany. Ho raisina ny fepetra tsy ahafahana mandavaka ny toerana intsony.

Kianja barea : handray ny faha-61 taona niverenan’ny fahaleovantena

0
Handray ny faha-61 taonan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara ny kianjan’ny Barea. Izay no nisongadina nandritra ny fitsidihana nataon’ny filohan’ny repoblika teny antoerana androany. Ankilany, 90 % ny asa no vita araka ny nambaran’ny filohan’ny repoblika hatrany ka antony tsy mbola hanokanana ny fotodrafitrasa.

CFM : mila hafainganina ny « digitalisation » manerana ny oniversite

0
Tsy azo ihodivirana amin’ny famahana ny olana sy ny fampandehana-draharana eny anivon’ny oniversite ny fanadiovana ny lisitra ny mpianatra sy ny mpandrandraha amperin’asa. Izay no namafisin’ny CFM na ny Conseil du Fampihavanana Malagasy manoloana ny olana eny anivon’ny oniversite maro toy ny tao Toliara farany teo.

Fikaonandoha lehibe tany Taolagnaro : namerina ny fanantenan’ny mponina any Atsimo

0
Namerina indray ny fanantenana ho an’ny faritra Atsimo ny fanantanterahana ny fikaonandoha lehibe ifotony fanantanterahana ireo asa vina fampandrosoana ny faritra Atsimo ny herinandro lasa teo tany Taolagnaro. Amin’ny ankapobeny, isany naha zava-dehibe ny atrikasa ny tsy fijerena firehana ara-politika raha ny fanazavan’ireo solombavambahoaka.

RN44 : efa miverina amin’ny laoniny ny fifamoivoizana

0
Efa miverina amin’ny laoniny ankehitriny ny fampiasana ny lalampirenena faha-44 raha toa ka nisy fahatapahana izany, teo anelanelan'i Ranofotsy sy Ambohimena noho ny fisian’ny rotsak’orana nisesy ny Alahady sy Alatsinainy teo tany en-toerana. Taorian’ny fahatapahana, nandray fepetra  avy hatrany tamin’ny fanamboarana izany ny minisiteran’ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy.

PEM Sud : hitondra vahaolana maharitra ho an’ny tapany atsimo ny fanatanterahana azy

0
Miroso ny fitadiavam-bahaolana maharitra ho an’ny tapany atsimon’i Madagasikara. Izay no azo itarafana ny fandrafetan’ny fitondram-panjakana ny tetikasa PEM SUD, izay atomboka tsy ho ela araka ny nambaran’ny Filohan’ny Repoblika. Nanamafy ankilany ny solombavambahoaka TIM fa tsara avokoa ny tetikasa rehefa mamaly ny hetahetam-bahoaka saingy takiana ny fanatanterahana azy araka ny tokony tokony ho izy.

Michael Pelletier : nanao veloma ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara teny Iavoloha

0
Ho famaranana ny fotoam-piasany teto Madagasikara nandritry ny 2 taona sy tapany, nanao veloma ny filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara teny Iavoloha ny Masoivoho Amerikana, Michael Pelletier androany. Nisaotra sy nankasitraka azy ny Filoha noho ireo ezaka sy fanampiana nataon’ny ho an’i Madagasikara.

Ampefiloha Ambodirano : tsy manaiky ny Sefo fokontany vaovao ny mponina

0
Nitokona ary nilanja sora-baventy, tsy manaiky ny fitondran’ny Sefo fokontany, vaovao napetraky ny Distrika ny mponina ao Ampefiloha Ambodirano ny maraina teo. Tokony ho fidiana fa tsy ho tendrena izay hitondra ny Fokontany hoy izy ireo, hisian’ny filaminana sy ny fampandrosoana miainga eny ifotony.

GEM : hafainganina ny fanaovam-baksiny ny mpisehatra tsy miankina

0
Taorian’ny antso ny tokony hanatontosana vaksiny faobe manerana ny Nosy nataon’ny GEM na ny Groupement des Entreprises de Madagascar, miroso amin’ny fanentanana amin’ny hanaovan’ny mpiasa amin’ny sehatra tsy miankina vaksiny amin’izao fotoana izao izy ireo. Ankoatra ireo toerana fanaovam-baksiny samihafa, misy ankehitriny ny toerana ahafahan’ny mpisehatra tsy miankina mpikambana amin’ny GEM manantontosa vaksiny.

Toeram-pandraisana lanonana : efa feno ny fandaharam-potoana ho an’ny ankamaroany

0
Nanomboka avy hatrany ny fanomanana ho an’ny toeram-pandraisanana lanonana eto andrenivohitra, taorian’ny kabarin’ny filohan’ny repoblika omaly. Araka ny fanadihadiana androany, efa saika tery avokoa ny daty ahafahana mamandritra ny toerana raha ny eto andrenivohitra.