samedi 27 avril 2024

Archives quotidiennes: 6 juillet 2022

Electrophone – Gramophone : manana eo amin’ny 30 isa eo i RANDRIANASOLO Théophile

0
Manana fitiavana manokana ny zavamaneno toy ny électrophone sy ireny gramophone ireny ni RANDRIANASOLO Théophile izay raim-pianakaviana mpanagona ieny zavatra ireo ary efa manodidina ny 30 izany amin’izao. Manana « disque » eo amin’ny 8 vata eo izy, izany ahitana ireo hira naomboka tamin’ny taona 1930 ary saika ny hira vahiny ny maro amin’izany ,ao ihany koa ireo hira gasy.

Fadintseranana : tafapetraka ny fomba fiasa « Ephytos » sy ny «  Décisions anticipées »

0
Notanterahina androany ny fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny fanatanterahina ny tetikasa «  Ephytos » sy ny « Décisions anticipées » eo anivon’ny fadintseranana Malagasy raha ny nambaran’ny tomponandraikitra. Natao izany ho fanatsarana sy ho fanavaozana ny fomba fiasa eo amin’ny sehatry ny fifanankalozana ara-barotra eo anivon’ny Fadintseranana.

RMDM : manjaka ny kolikoly ao amin’ny Distrikan’i Nosy Be

0
Miantso ny hanesorana ireo tomponandraiki-panjakana isan-tokony ao amin’ny distrikan’i Nosy Be ny eo anivon’ny vondrona RMDM. Anjakan’ny kolikoly ity distrika ity hoy izy ireo, indrindra ny eo anivon’ny fitsarana ka tokony hanaovana fanadihadiana sy handraisana fepetra.

Tanora Malagasy : manana talenta saingy tsy ampy ny tosika

0
Tanora malagasy iray no nahavita fianarana ka nahatsangana imprimante 3D vita teto an-toerana. Maro ny tanora mana-talenta hoy i RANAIVONAMPOIZINA Mikajy saingy tsy misy na tsy ampy ny tosika omena azy ireny ahafahany mivelatra sy manatanteraka ny tetikasany entina hampandrosoana ny tenany sy ny firenena.

Fahatapahan-jiro : any amin’ny faran’ny taona 2022 no vinavinaina vao tsy ho hisy

0
Vokatry ny tsy fifankazahoana teo anivon’ireo mpanafatra solika sy ny mpiasan’ny Douanes ao Toamasina ka tsy nahafahana namoaka ireo solika ampiasain’ny orinasa JIRAMA no nahatonga ny fahatapahan-jiro nanomboka ny sabotsy lasa teo hoy ny tale ny kabinetra ny Minisiteran’ny Angovo sy ny Akoranafo androany.

Fitsarana Anosy: misy peta-drindrina mametra ho 10 ny isan’ny fitoriana raisina

0
Tato anatin’ny andro vitsy, ahitana peta-drindrina izay milaza fa tsy mandray afa-tsy fitoriana folo isanandro manoloana ny vavarana fidirana eo anivon’ny fampanaovana ao amin’ny fitsarana Anosy. Hatreto, tsy mbola misy ny fanazavana ofisialy mikasika io fanovana io. Fandikan-dalàna ny famerana ny fandraisana fitoriana eo anivon’ny fampanoavana raha ny nambaran’ny holafitry ny mpisolovava.