vendredi 26 avril 2024

Archives quotidiennes: 25 avril 2023

Tongarivo Tanjombato : mitomba ireo mpivarotra sy mpidoroka zava-mahadomelina

0
Mirongatra ao amin’ny kaominin’i Tanjombato ny fidorohana sy ny bizina zava-mahadomelina amin’ny endriny maro amin’izao fotoana. Sarotra ankilany ny fifehezana azy noho ireo tambazotra sy mpisehatra manana olona ao an-damosina miara-miasa akaiky azy ireo. Ny fanentanana arak’izany no ilany hamafisina ka anton’ny fiaraha-miasan’ny kaominina, ny vovokovoko manga sy ny marohafa natao ho an’ireo mpianatra teny anivon’ny Lisea Tongarivo Tanjombato.

Distrikan’Antsohihy : mirongatra ny tsy fandriam-pahalemana

0
Mirongatra ny tsy fandriam-pahalemana ao amin’ny Distrikan’Antsohihy, farirta Sofia. Raha ny fanadihadiana natao tany an-toerana, 3 hatramin’ny 4 isan’andro ny vaky trano eo an-tampon-tanàna, ankoatry ny halatr’omby amin’ireo kaominina manodidina.

Fanamboaran-dalana : ny fotoana hahavitany ela noho ny hampiasana azy

0
Mampiaka-peo ireo mpamily fiara vaventy mpitatitra entana manoloana ny faharatsian’ny lalam-pirenena eto amintsika. Ho an’ny lalam-pirenena faharoa, saika isan’andro no haharenesana fivadihana camion vokatry ny lalana ratsy, ary izay tsy mivadika voaroba entana hoy ny filohan’ny  Association des transporteurs camionneur.

FIKASANA HANAFIKA CASH POINT TETSY AMIN’NY 67 HA : jiolahy 1 maty voatifitra, 1 hafa tafaporitsaka

0
Jiolahy iray nikasa hanafika cash point tetsy amin’ny 67 Ha ny atoandro teo no lavon’ny balan’ny mpitandro filaminana avy eo anivon’ny Polisim-pirenena. Tafaporitsaka kosa ilay jiolahy iray hafa ka nenjehin’ny mpitandro filaminana.

Fifehezana ny lozan-dranomasina an-tsokosoko : nanome 1 volana hanomanana ny antotan-taratasy ho an’ireo sambo tsy ara-dalàna ny APMF

0
Nanome fe-potoana 1 volana ireo sambo tsy ara-dalàna tany amin’ny ilany avaratry ny Nosy amin’ny fanomanana ny antontan-taratasy ny teo anivon’ny APMF nanomboka ny fiandohan’ny herinandro teo. Ankoatran’ny fanentanana azy ireo hiditra anatin’ny sehatry ny ara-dalana, tanjona ny ahafahana mitsirika azy ireo hifehezana ny fitaterana an-dranomasina an-tsokosoko izay saika hamoizana ain’olona maro tao ho ato.

TOLO-KEVITRA HANATSARANA NY ZOTRAM-PIFIDIANANA : tsy baiko ka tsy maintsy hatao hoy ny CENI

0
Fanampoizinana ny firenena raha izao vao hirosoana ny fanavaozana ny lalàm-pififianana hoy ny filoha lefitry ny ceni manoloana ireo fangatahana samihafa avy amin’ireo mpisehatra entina hanatsarana ny zotram-pifidianana. Na izany aza, tsy manakana ny tian’ny rehetra hatao ao anatin’izay ny ceni, fa tsy voatery handray sy  hanantanteraka kosa ireo tolo-kevitra avy amin’ireo mpisehatra ihany ko izy ireo.