vendredi 26 avril 2024

Archives quotidiennes: 7 avril 2023

Tanamasoandro : samihafa ny sora-bola omena ny tompon’ny tany sy ny any amin’ny foibe

0
Samihafa ny sora-bola anatin’ny Notification nomena ireo tompon’ny tany voakasiky ny tetikasa Tanamasoandro sy ny sora-bola any amin’ny Foibe hoy ireo tompon’ny tany voakasika nanaraka akaiky ny Dossier. Ireo tompon’ny tany izay nangataka fiaraha-miasa amin’ny Firaisamonim-pirenena ankehitriny, hitondra fanazavana amin’izy ireo ny lalàna sy ny dingana tsy maintsy harahina amin’izany.  

Olona manana fahasembanana : nozaraina fitaovana entina miatrika ny fiainana

0
Notananterahina androany 06 Aprily ny fizarana ny  fitaovana natokana ho an’ireo olona manana fahasembanana izay anatin’ny tetikasa MIHARY Employabilité et Autonomisation Economique. Fitaovana maromaro entina amin’ny fizakan-tena ara-ekonomika ho an’ny olona manana fahasembanana.  

Kaominina Antananarivo : nolanian’ireo mpanolontsaina ny tetibolan’ny kaominina.

0
Nolanian’ireo mpanolontsaina androany ny teti-bola ny kaominina Antananarivo renivohitra ho amin’ny taona 2023. Mpanolo-tsaina miisa 53 no tonga nandray anjara tamin’ny tsangatanana. Ny fivoriana izay efa nanomboka ny 27 martsa 2023 lasa teo. Raha ny mahakasika ny faharatsian-dalana eto andrenivohitra,  ny tsy fahampian’ny teti-bola am-pelatanan’ny kaominina no antony tsy nahafahana nanamboatra izany raha ny fanazavana hatrany.

Plan Emergence Madagascar : tsy maharesy lahatra ny mpamatsy vola hoy ny mpahay Toekarena

0
Tsy maharesy lahatra ireo mpamatsy vola ny politikam-panjakana hoy ny mpahay Toekarena Hugues RAJAONSON androany, ka antony mahatonga ny tsy fahatanterahan’ireo tetikasa voasoratra ao anatin’ny PEM na ny Plan Emergence Madagascar. Tsy mifanaraka amin’ny zava-misy ny velirano nataon’ny filoha ka tsy hisy mpamatsy vola ho azony intsony amin’izao fiafaran’ny fotoam-piasany izao.

Volam-bahoaka : tsy tokony ho laniana amin’ny fampielezan-kevitra

0
Miendrika fampielezan-kevitra alohan’ny fotoana avokoa ny fitokanana zava-bita amoriana olona maro ataon’ny filoham-pirenena ankehitriny hoy ny mpamakafaka ara-politika RAKOTOSON Dany. Tsy tokony ho laniana amin’izay arak’izany ny volam-panjakana izay azo hanatanterahana ireo fotodrafitrasa maika sy laharampahamehana ho an’ny vahoaka ankehitriny.

Fampandrosoana : tsy afaka mihetsika ireo Vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana

0
Tsy afaka mihetsika ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana noho ny tsy fisian’ny Fitsinjaram-pahefana eto amintsika. Raisin’ny Minisitera sy ny Fanjakana foibe avokoa ny asa sy andraikitra sahanin’izy ireo ka tsy afaka mankany amin’ny fampandrosoana.