vendredi 03 mai 2024

Archives mensuelles: mai 2023

MPONINA – NANDIHIZANA CARION : afa-po tamin’ny hetsika didipoitra faobe nataon’ny Antoko MMM tany an-toerana

0
Ankizy maherin’ny 30 androany no nisitraka didipoitra faobe nataon’ny Antoko Malagasy Miara-Miainga tao Nandihizana Carion. Hetsika fanaon’ny Antoko isan-taona izay manala ny fahasahiranan’ny mponina ka itakian’ireto farany ny hanohizana ny hetsika hatrany hatrany.

FIFIDIANANA 2023 : mampanahy ny hahatontosany hoy ny Solombavambahoakan’i Taolagnaro

0
Mampanahy ny hahatontosan’ny fifidianana amin’ity taona 2023 ity hoy ny Solombavambahoaka IRD voafidy tao Taolagnaro. Hatreto, tsy mbola hita taratra ny fahavononan’ny fitondram-panjakana hiroso amin’izay fifidianana izay, volana vitsy mialohan’ny tokony hametrahan’ny filoha fialana raha tokony hotanterahina ny volana novambra izao ny fifidianana fihodinana voalohany.

Eliana BEZAZA : tokony hapetraka haingana ireo izay handrafitra ny HCDDED

0
Mandringa ny rafi-panjakana afaka manontany sy mitoroka eny anivon’ny Fitsarana Avo Momban’ny Lalàm-panorenana amin’izao fotoana izao noho ny fahataperan’ny fotoam-piasan’ny mpikamabana mandrafitra ny HCDDED. Namafisin’ny sekretera nasionalin’ny antoko PSD androany fa tokony hapetraka farak’izay haingana ireo izay handrafitra ny HCDDED mba ahafaha mitoroka ny mpitondra raha misy ny fanitsakitsahana ny lalàm-panorenana.

Fandraisana anjara amin’ny fifidianana : tsy mahaliana ny maro noho ny toetry ny mpanao politika

0
Tsy miantraika mivantana eo amin’ny fiainanan’ny ankamaroan’ny vahoaka Malagasy ny fomba fanao politika eto Madagasikara hany ka tsy mazoto mandray anjara amin’ny  fifidianana ny olom-pirenena. Io no azo ambara manoloana ny fanontaniana napetraky ny agences capsule sy ny kolo tv manoloana ilay fanontaniana hoe, Inona no mahatonga ny olona tsy liana handray anjara amin’ny fifidianana ? hoy ny Solombavambahoakan’i Marolambo.

Alumni-day : mankalaza ny faha 10 taonany

0
Natomboka tamin’ny 13 mai lasa teo ka hatramin’ny 28 mai 2023 ho avy izao ny fankalazana ny faha 10 taonan’ny  Alumni-day na andro maneran-tany natokana ho an’ireo mpianatra na ireo « Alumni »  izay nianatra tany Frantsa ka nahazo diplaoma iraisam-pirenena tamin’ny fampianarana ambony.