Archives mensuelles: mai 2023

FOMM : latsaka an-katerena ny sehatry ny harena ankibon’ny tany

0
Maro amin’ireo fanapahan-kevitra noraisina teo anivon’ny filan-kevitry ny Minisitra ho fanarenana ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany no tsy misy tohiny hatreto araka ny fitarainan’ny Fédération des Opérateur Minier de Madagascar na ny FOMM. Mitarazoka ny famoahana ireo didy fampiharana ireo fanapahan-kevitra ireo izay misy fiantraikany goavana amin’ity sehatra ity. Manao antso avo araka izany ireo mpandraharaha ny amin’ny tokony hanafainganana ireo didy fampiharana ireo fanapahan-kevitra ireo.

Sendika SPAEM : mihen-danja ny rafi-pampianarana eto Madagasikara

0
Isan’ireo Syndicat mijoro eo anivon’ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny SPAEM na ny syndicat du personnel administratifs et enseignants de Madagascar izay nanatanteraka atrik'asa roa andro momba ny fandraisana anjara amin'ny fanatsarana ny rafitra fanabeazana eto Madagascar, io no nentin' ity Syndika iraisan'ny mpandraharaha sy ny mpanabe eto Madagascar ity nankalazana ny datin'ny 1 Mai izay notontosainy teto Fianarantsoa. Lohahevitra ny hoe mpiasa milamintsaina antoky ny fanabeazana tsara kalitao, tao amin'ny CCEE Tsianolondroa no nanatanterahana azy io ary nitohy tao amin’ny Tranompokonolona RALAIVELO Daniel tamin’ity andro anio ity.