vendredi 17 mai 2024

Archives mensuelles: mai 2023

Antenimiera : nanomboka androany ary haharitra 60 andro ny fotoam-pivoriana

0
Nanomboka androany ary haharitra 60 andro ny fotoam-pivoriana ara-potoana voalohan’ny Antenimierampirenena amin’ity taona 2023 ity eny Tsimbazaza. Teboka lehibe hivoitra mandritra ny fotoam-pivoriana ny fanitsiana ny tetibolam-panjakana amin’ity taona ity indrindra fa ny fikitihana ny vola natokana hanomanana ny fifidianana filoham-pirenena ao ihany koa ny fandinihana mahakasika ny Code Minier. Tokony ho hita ao anatinny LFR 2023 ny tetibola feno hanatanterahana ny fifidianana filoham-pirenena hoy ny filohan’ity andrim-panjakana ity.

Fitondram-panjakana: tsy manam-bola fa miandry ny volan’ny Banky iraisam-pirenena

0
Voaporofo taorian’ny fihaonan’ny filoham-pirenena sy ireo tomponandraikitra orinasa sy vondron’orinasa fa anatin’ny fahasahiranana ara-bola tanteraka ny fitondrana ankehitriny ka tsy afaka mamaly ny filana sy ny fampanantenana natao tamin’ireo orinasa. Ny fanampiana ara-bola avy amin’ny banky iraisam-pirenena ny volana jona izao no andrandrain’ny mpiotndra hamahana io olana ara-bola io.

Olan’ny fananan-tany : tokony mitady vahaolana anatin’ny fotoana fohy ny Fanjakana

0
Tokony mitady vahaolana anatin’ny fotoana fohy hamahana ny olan’ny fananan-tany eto amintsika ny Fanjakana hoy ny eo anivon’ny SIF na ny Sehatra Iombonana ho an’ny Fananan-tany. Noho ireo olana isan-karazany miseho etsy sy eroa, voahosihosy raha ny fanazavana ny Zon’ny Malagasy hisitraka tany hahafahana mivelona sy mihary.

Fokontany Fandrakotra kaominina Fiaferana: nahazo efitrano fianarana ireo mpianatra

0
Antony iray mampiala an-daharana ireo mpianatra any an-tsekoly ny fahalaviran’ny trano fianarana any amin’ireo kaominina ambanivohitra. Isany misedra izany ireo mpianatra ao amin’ny  Fokontany Fandrakotra Kaomonina Fiaferana. Tontosa androany arak’izany ny  fanokanana ny trano fianarana vaovao  ho an’ireo mpianatra eo anivon’ny Fokontany  Fandrakotra  Kaominina  Fiaferana ho fanampiana ireo mpianatra ao an-toerana.  

Raharaha Ahmad : tsy misy idirany ny fampiantsoana azy teny amin’ny BIANCO hoy ny mpisolovava

0
Tsy misy idiran’ny Ahmad Ahmad ny fitoriana azy teny amin’ny BIANCO hoy ny mpisolovava azy ny maraina teo. Fitoriana izay mikasika ny Hotely lehibe iray ao Soalala.

Mananara Avaratra : mitaky ny hampihrana ireo hevitra tapaka tany Sambava ireo tantsaha

0
Mitaky ny hampiharana tsy misy atakandro ireo fanapahan-kevitra tapaka tany Sambava farany teo momban’ny fandraharahana ny vokatra vanille ireo tantsaha mpamokatra sy mpamboly vanille avy any amin’ny distrikan’i Mananara Avaratra amin’izao fotoana izao. Tokony hofoanana ihany koa ny CNV raha ny nambaran’izy ireo fa tsy mahavaha olana ho an’ny fandraharahana.

Fampianarana Informatika : mahaliana ny tanora maro na eo aza ny fahasarotany

0
Na azo ambara fa miha vitsy aza ny tanora liana amin’ny taranja sinatifika amin’izao fotoana izao, isan’ny taranja mahasarika ny mpianatra aorian’ny fahazoana ny mari-pahaziana bakalorea ny tontolon’ny informatika eto amintsika hoy ny Tale jenealin’ny ENI na ny Ecole Nationale de l’Informatique eo anivon’ny Oniversitian’i Fianarantsoa. Ho ampitomboana arka izany ireo taranja momban’ny tontolon’ny informatika amin’ny taom-pianarana manaraka eo.

01 MEY : nanao diabe ny fivondronanan’ireo sendika Malagasy

0
« Mpiasa Malagasy leo ny fitotonganan’ny fahefa-mividy », io no loha-hevitra nentin’ny fivondroanan’ireo sendika nanamarihana ny andro androany fetin’ny asa, niaraka tamin’ny dia be niainga teo Ankazomanga nihazo ny kianjan’Alarobia. Manaitra ny fanjakana sy ny mpampiasa hijery akaiky ny fahefa-mividn’ny mpiasa izy ireo raha tiana ny hisiann’y famokarana sy hampandrosoana ny sehatry ny asa.  

RANDRANA SENDIKALY : miantso ny mpiasa Malagasy hanao hetsika mafy raha tsy misy fisondrotan-karama

0
Mitaky ny hamoahan’ny fanjakana ny fanampiana amin’ny karama farany ambany ny eo anivon’ny randrana sendikaly. Mijaly ny mpiasa hoy izy ireo ary lasa ataon’ny mpitondra fitaovana sy kilalao. Miantso ny mpiasa rehetra hanao hetsika mafy noho izany izy ireo raha tsy misy ny fepetra haingana raisin’ny fitondram-panjakana.

MMM Anosizato // Rep // Ony Nasaina

0
Antoko MMM : ny Asa, ny Fahasalamana ary ny Fanabeazana no atao laharam-pahamehana Tsy handroso ny firenena raha tsy mbola atao laharam-pahamehana ny Asa, ny Fanabeazana ary ny fahasalamana hoy ny filoha nasionalin’ny Antoko MMM, Hajo andrianainarivelo androany, nandritra ny fihaonany tamin’ireo vahoaka tao amin’ny Kaominina Anosizato, Distrikan’Atsimondrano. Ireo sehatra ireo, izay tsy hita ny fisongadinany amin’izao fotoana izao, antony mahaotnga ny fitotonganan’ny Sosialim-bahoaka.