A la une
NTSAY Christian : misahana vonjimaika ny minisiteran’ny harena an-kibon’ny tany
Noraisin’ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta NTSAY Christian ny fitantanana vonjimaika ny minisitera misahana ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika taorian’ny fametraham-pialan’ny minisitra Brice...
Ambohidratrimo : mihenjan-droa ny tady eo amin’ny Ben’ny Tanàna sy ireo...
Toherin'ireo mponina ao amin'ny kaominina Ambohidratrimo ny fanotofana tany sy fandrodanana trano kasain'ny kaominina ho atao. Antony, fambolena maro no efa tototry ny tany,...
WORD CUP 2016
Fafah Mahaleo : notoloran’ny fitondram-panjakana mari-boninahitra
Notoloran'ny fitondram-panjakana mari-boninahitra grand officier de l'ordre national i Rajaonarison Famantanantsoa na Fafa Mahaleo androany nandritra ny fanaovam-beloma farany azy tetsy amin'ny lapan'ny fanatanjahantena Mahamasina. Vahoaka maro no tonga teny an-toerana notronin'ireo olo manankaja maro.
MADAGASIKARA : mitohy ny hamehana ara-pahasalamana
Mitohy ny ady atao amin’ny fiparitahan’ny valan’aretina Covid-19 eto Madagasikara araka ny fantatra nandritra ny tafa nifanaovan’ny filohan’ny repoblikan’i Madagasikara tamin’ny vahoaka Malagasy omaly. Nitondra fanazavana mahakasika ny fanamboarana ny rova ihany koa ny filoha ary nambarany tamin’izany fa tombontsoa maro no ho azon’i Madagasikara amin’ny fahavitan’ny Rova indrindra eo amin’ny lafiny fizahantany.
TRANGA CORONAVIRUS : laharana faha 04 aty Afrika Atsimo i Madagasikara
Mitazona ny laharana faha 4 eo amin’ny olona voan’ny Coronavirus aty Afrika Atsinanana i Madagasikara raha ny tarehimarika navoaky ny Africa CDC. Laharana faha 5 kosa eo amin’ny olona sitrana ary faha 06 eo amin’ny olona namoy ny ainy vokatry ny Coronavirus hatrany.
WRC Rally Cup
Vontovorona : tsy mivahana ny olana, mitohy ny grevin’ireo mpianatra
Nitohy hatramin’ny androany ny grevy ho an’ireo mpianatry eny amin’ny Polytechnique Vontovorona manoloana ny fitakiana ny vatsim-pianarana sy ny equipement ary ny fijenena vahaolana manoloana ireo olan’ny mpianatra amin’ny an-davan’andro. Mitaky omby amin’ny mpitandro ny filaminana ankehitriny ireo mpianatra ho fialantsiny tamin’ny famakiana ny Franchise Universitaire nandritra ny Grevy ny herinandro lasa teo.
JIRAMA : mampitaraina ny fitarazohan’ny asa raha sendra fahavoazana
Faritra maro teny Ankazomanga sy ny manodidina no tapaka herinatra vokatry ny fianjeran’ny andrin-jiro iray teny an-toerana omaly. Tsy mbola niverina ny herinaratra hatramin’ny tapany maraina nanaovana fanadihadiana androany. Ankoatry ny olana efa mampikaikaika ny mponina amin’ny JIRAMA, nampitaraina ny maro ihany koa ny fitarazohan’ny asa fanamboarana raha sendra misy loza toy izao.
SPORT NEWS
CYCLING TOUR
Filohan’ny Repoblika : mitsinjo hatrany ny vahoaka Malagasy
Teboka maro no nisongadina tao anatin'ny fanadaharana manokana nataon'ny filohan'ny repoblika alina manodidina ny raharaham-pirenena. Fanehoana hatrany fa mitsinjo sy akaiky ary mihaino ny vahoaka Malagasy ny Filohampirenena raha ny fanehoan-kevitra azo androany.
Paoma : niharatsy ny vokatra
Fotoana fiatombohan’ny fivokaran’ny paoma. Any Antsirabe, hatreto, ratsy noho ny taona lasa ny vokatra tamin’ity taona ity. Anton’izay ny tsy fahampian’ny rotsak’orana.
Fanadinam-panjakana CEPE : miroso ny fanomanana rehetra
Miroso ny fanomanana rehetra hiatrehana ny fanadinam-panjakana CEPE amin’izao fotoana izao araka ny nambaran’ny tomponandrikitra. Hanomboka rahampitso ny fizarana ny Convocation ho an’ny mpinatra hanala ny fanadinana. Ao anatin’ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana rehetra ihany koa ankilany no hanatanterahan ny fanadinana manerana ny Nosy.
SECURITE
Madagascar est un terrain de préparation où transiteraient les financements liés à des activités terroristes, selon Lamina Boto Tsaradia, Directeur Général du SAMIFIN. Ainsi, il est nécessaire de prévenir les financements du terrorisme et les blanchiments de capitaux. Blanchiments de capitaux qui se commettent en dehors du cadre formel des banques et des établissements financiers. La lutte contre le blanchiment d'argent, dans sa version actuelle, n’étant pas efficace, le SAMIFIN a élaboré une nouvelle stratégie de lutte contre le blanchiment de capitaux, intégrant la lutte contre le financement du terrorisme.
TENNIS
Fikitihina Lalàmpanorenana : miha mavaivay ny fanoherana izany
Tsy mitsahatra ny fanehoan-kevitra avy amin'ny antoko politika sy ny fiarahamonim-pirenena amin'ny fikasan'ny mpitondra hikitika ny Lalàmpanorenana. Tsy anjaran'ny mpitondra efa ho lany fe-potoana...
Fanavaozana ny fanabeazam-pirenena: atsahatra ny gaboraraka
Eo amin'ny tontolon'ny fanabeazam-pirenena , tokana ny hafatra napetraky ny minisitry ny fanabeazam-pirenena mpisolo toerana enti - manantanteraka ny vinan'ny filohan'ny repoblika. Atsahatra ny...