dimanche 19 mai 2024
Accueil 2017 juillet

Archives mensuelles: juillet 2017

EDITO

0
Atao aloha izay hampitomboina aloha ny mofomamy, fa tsy ho ampy zaraina ho antsika rehetra ny mofomamy misy ankehitriny, hoy ny Filoha tany Toamasina nandritra ny fandraisana ireo fanampiana ho an’ny BNGRC (Bureau national de gestion des risques et catastrophes) avy tamin’ny governemanta Koreana Tatsimo. Valin-kafatra avy amin’ny Filoha ho an’ireo fitakiana sendikaly misavovona ankehitriny io. Midika ve izany fa misy ihany ny fizarana saingy tsy natao ho an'ny rehetra?
Antoko mpanohitra

Antoko mpanohitra : mitsangana mitaky ny fampiarana ny fanjakana tan-dalàna.

0
Antoko politika sy vovonana maro no nanaiky sy nanao sonia ny amin'ny maha-mpanohitra azy nandritra ny fihaonamben'ny mpanohitra omaly. Fitakiana ny fanjakana tan-dalàna sy tsara tantana no votoaton'ny tolona ataon'ireto antoko mpanohitra ireto.

Kaominina Ambohidratrimo : tariby mitondra herinaratra 300 m nisy nangalatra

0
Trano maherin'ny 2 000 no tsy afaka mampiasa jiro ao amin'ny fokontanin'Amboara kaominina Ambohidratrimo. Antony, nisy nangalatra ny tariby mitondra herinaratra. Manjaka vokatr'izany ny tsy fandriam-pahalemana.

Fitokonan’ny Sendikan’ny mpitsara eto Madagasikara: Mikatona ny fitsarana manerana ny nosy.

0
Nisokatra ihany ny fitsarana teto Antananarivo omaly na niroso tamin’ny fitokonana aza ny mpitsara. Nanakatombaravarana kosa ny tany amin’ny faritra. Ankilany, zo fototra ny hitokona na tsia ka tsy hanakanana ny tsirairay raha ny fanazavana hatrany.

Arboretum Ambatobe : mifampialangalana ny tomponandraikitra

0
Mifanilika ireo tomponandraikitra voakasika amin'ny raharaha arboretum eny Ambatobe. Ankilany ny avy amin'ny ministeran'ny fanajariana ny tany, milaza fa ny eny anivon'ny kaominina Ankadikely Ilafy no tomponandraikitra. Ireto farany milaza ho tsy mahafantatra na inona na inona.

Fanoherana : manao izay tiany hatao ny filoham-pirenena sy ny Praiminisitra.

0
Tsy mbola tafajoro amin'ny fomba ofisialy ny fisian'ny mpanohitra eny amin'ny Antenimera eto amintsika, na dia efa nisy aza ny antoko nilaza tamin'ny fomba ofosialy fa mpanohitra. Vokatr'izay, manao izay tiany hatao ny filoham-pirenena sy ny Praiminisitra eto Madagasikara. Tokony ho jerena akaiky araka izany ny momba ny mpanohitra eo ampiandrasana ny fifidianana ho an'ny taona 2018. Isany nisongadina tamin’ny boky nosoratan’I tsiory Razafindrabe, doctorante any amin’ny oniversite any ivelany, boky izay nivoaka ny faran’ny taona 2016.

SMM: hiroso amin’ny fitokonana faobe manomboka rahampitso

0
Hitokona ny mpitsara rehetra manerana ny nosy manomboka androany 11 jolay ary haharitra 7 andro io fitokonana faobe io. Antony, mbola tsy misy ny fandraisana andraikitra nataon'ny mpitondra manoloana ny fitakiana nataon'izy ireo. Tsy hisy ihany koa ny service minimum mandritra io 7 andro io.

Fonja eto Madagasikara : Betsaka no ahiana ho rodana

0
Fonja maro manerana an'i Madagasikara no ahiana ho rodana na hisy fahasimbany noho ny tsy fisian'ny fanavaozana azy ireo an-taonany maro, toa ny nitranga tao Antsohihy ny faran'ny herinandro lasa teo. Mahatratra 50  taona mahery  no tsy nisian'izay fanavaozana izay amin'ireo ankamaroan'ny fonja eto Madagasikara.

TIM – CUA : Hitory ny Prefektioran’ny polisy sy ny  CIRGN Analamanga

0
Nampiantso mpanao gazety taorian'ny hetsika fankalazana ny faha 15 taonan'ny antoko ny filohan'ny antoko TIM, hitory ny PREFET DE POLICE sy ny CIRGN noho ny tsy famelani'izy ireo ny fankalazana ny 15 taona ny antoko.

Fitantanana ny firenena: mikorontana ny mpitondra.

0
Tahaka ny zava-misy eo anivon'ny antoko HVM, miha mibaribary ny savoritaka misy eto amin'ny firenena. Hafa ny fanehoan-kevitra entin'ny filoha lefitry ny antoko HVM izay sady loholona ihany koa. Hafa tahaka izany ihany koa ny fanapahan-kevitra raisin'ny prefektioran'ny polisy izay mandray baiko amin'ny praiminisitra. Na ny fanapahan-kevitra raisina, na ny asa atao, mifanipaka tsy hita ny lojika ao anatiny raha ny fanehoan-kevitry ny mpanara-baovao.