Accueil 2017 juillet

Archives mensuelles: juillet 2017

Préfet de Police Faritra Analamanga: TSIA no valin’ny fangatahan’ny TIM

0
TSIA no valin'ny fangatahan'ny TIM hankalaza ny faha-15 taonany etsy Mahamasina amin'ny sabotsy ho avy izao avy amin'ny Préfet de Police Faritra Analamanga. Tsy maintsy tontosaina ny fety fankalazana hoy kosa ny filohan'ny vondrona parlementera TIM manoloana izany fandavan'ny Préfet de Police Antananarivo izany.

Tamberinandraikitra : Ny filohampirenena no tokony haneho izany voalohany.

0
Ireo olom-boafidy no tokony haneho ny tamberin’andraikitra amin'ny vahoaka nifidy azy. Tomponandraikitra voalohany tokony haneho izany ny filohan'ny repoblika hipaka amin'ireo olona ambany fahefany hisian'ny vokatra azo tsapain-tanana eo amin'ny vahoaka Malagasy tantanany sy nifidy azy na tsia. Tsy izay nefa no zava-misy eto amin'ny firenena, ahiliky ny filoham-pirenena any amin'ny mpiasam-panjakana sy tomponandraikitra izay tsy nofidiana fa notendrena ny fanatanterahana izany.

Famahana ny olan’ny mpitsara eto Madagasikara : miandry ny fanekena avy amin’ireo mpitsara

0
Tsy mbola mivoaka ny votoatin'ny fifanakalozana teo amin'ireo komity misahana ny fitakiana nataon'ny mpitsara eto Madagasikara. Soso-kevitra maro avy amin'ireo mpitsara araka izany no andrasana ho raiketina anatin'ny fifanekena eo amin'ny fitondrana sy ny mpitsara. Isan'ny andraikitra lehibe miandry ny mpitsara ihany koa ny ady amin'ny kolikoly eny anivon'ny fitsarana.

Fanafihan-jiolahy teny Andraisoro : Mpivarotra voanjo no maty voatifitra

0
Lehilahy iray mpivarotra voanjo no maty voatifitry ny jiolahy nandritra fanafihana ny talata hariva teny Andraisoro. Nampanano-sarotra ny fahatongavan’ny mpitandro filaminana ny hasarotan’ny lalana miditra teny an-toerana.

Ala honko: Azo hambolena

0
Zava-maniry miaro ny biby an-dranomasina tsy ho lany tamingana ny ala honko, saingy miharitra tsikelikely. Azo hambolena tsara anefa ity zava-maniry ity.

SEIMAD :  Nampiasa taratasy hosoka nahazoana tany

0
Fianakaviana iray no mitaraina fa lasan'ny SEIMAD tamin'ny taratasy hosoka ny tanin'izy ireo etsy Ankasina. Nitondra porofo amin'izay lazain'izy ireo ho hosoka ity fianakaviana ity. Eny amin'ny Fitsarana ny raharaha amin'izao fotoana, mitohy hatrany anefa ny asa fanorenana eo amin'ny tany izay mbola iadiana eny amin'ny fitsarana.

Raharaha Claudine RAZAIMAMONJY : 2 nahazo fahafahana vonjimaika, ny 1 nahiditra amponja.

0
Olona 3 indray no niakatra teny amin'ny fitsarana misahana ny kolikoly eny amin'ny 67 ha omaly taorian'ny famotorana sy ny fanadihadiana ilay tale iray eo anivon'ny ministeran'ny Fitsinjaram-pahefana. Ity farany izay fantatra torian'io fanadihadiana natao azy omaly io fa naiditra am-ponja vonjimaika avy hatrany.

Fananan-tany : tany manodidina ny 140 Ha lasan’olon-tokana.

0
Tany manodidina ny 140 Ha ao amin'ny Kaominina Ambohimangakely no voalaza fa lasan'olon-tokana. Mitaraina ireo tantsaha aman'arivony izay efa nanajary ny tany tao anatin'ny taona maro. Misy tsy mazava ny fampiharana ny lalàna hoy izy ireo.

MLE : hihamafy ny hetsika na eo aza ny Ramatahora

0
Tsy hihemotra manoloana ny ramatahora atao azy ireo mpikambana eo anivon’ny MLE. Vao maika hihamafy ny hetsika fitakiana sy ny fanehoana ny fitondrana mitanila misy eo amin’ny fanehoan-kevitra sy ilay lalàna ny serasera natao am-boletra.

Fifidianana 2018 : Ny Ceni no ilaina matanjaka sy mahaleo tena.

0
Rafitra misahana ny fifidianana matanjaka sy mahaleo tena amin'ny lafiny rehetra no ilaina amin'ny fiatrehana ny fifidianana amin'ny taona 2018 raha ny nambaran'ny mpanao politika sy ny mpiaramiombona antoka vahiny androany, hahafahana miantoka ny fangaraharan'izany fifidianana ho tanterahina izany. Tsy hisy intsony ankoatra izay ny "ni ni".