Archives quotidiennes: 30 août 2017

Fitakiana sendikaly eo anivon’ny Fitsarana : Mandà ny fihaonana ny Filohampirenena

0
Mandà ny hihaona amin'ireo sendika ho famahana ny olan'ny Fitsarana eto Madagasikara ny Filohampirenena Hery Rajaonarimampianina, araka ny nambaran'ny Sendikan'ny Mpitsara Malagasy sy ny Sendikan'ny Mpiraki-draharaha. Noho izany, hanambatra ny heriny izy ireo hiara-hitady vahaolana manomboka izao.  

Plateforme syndicale : hamory ireo mpiasa sy sendika rehetra ny 07 septambra izao.

0
Hamory ireo mpiasa sy sendika manerana ny nosy ny vovonan'ireo mpitarika sendika ny faha 7n'ny vola septambra izao hanehoana amin'ny fitondrampanjakana ny fitotongan'ny sehatry ny asa eto amintsika manoloana ny fiakaran'ny vidim-piainana; ny tsy fanaovan'izy ireo laharampahemahana ny fampiroboroboana ny asa mendrika. Tsy mifangaro resaka politika ity hetsika ity raha ny fanazavana.