dimanche 28 avril 2024

Archives quotidiennes: 27 septembre 2018

Kariera Anjozorobe : aiza no nalevina ny havanay, hoy ny fianakaviana

0
Taorian'ny fanehoana sy ny famoahana ny sarin'ny zanaky ny filoha teo aloha RAJAONARIMAMPIANINA Hery, izay voasaringotra tamin'ny raharaha namoizana ain'olona tany amin'ny kariera Anjozorobe, nivoaka tamin'ny fahanginany ny havan'ilay namoy ny ainy ary nijoro vavolombelona, nanamafy fa tany an-toerana tokoa ny zanaky ny filoha teo aloha. Mangataka ny hanoroana ny toerana nandevenana ny havany ihany koa izy ireo.

« Sondage Politique » : nosakanana tamin’ny ora farany ny famoahana ny vokatra

0
Nosakanana tamin'ny ora farany ny famoahana ny vokatry ny "Sondage Politique" nokarakarain'ny FES. Mety hiteraka korontana mialohan'ny fotoan'ny fampielezan-kevitra sy mandritra ny fifidiana izany raha ny fanazavana. Fomba fanao izay nanaitra ny be sy ny maro amin'ny maha tany Demokratika an'i Madagasikara.

RAJAONARIMAMPIANINA Hery : nifanaraka an-tsokosoko tany Sina hampiditra sambo mpanjono sinoa miisa 330

0
Andro vitsy monja mialohan’ny tsy maintsy nametrahan’ny Filoha teo aloha RAJAONARIMAMPIANINA Hery fialàna dia nambaran’ny CAPE na ny Coalition pour des accords de pêche équitables fa nanao fifanarahana an-tsokosoko tamina fikambanan’orinasa The Century Investments Developments Corporation ny tenany tany Chine hampiditra sambo mpanjono sinoa miisa 330 eto amin’ny sisin-dranomasin’i Madagasikara.

Lehiben’ny PAF Ivato Seranana : « ireo mpiara-miasa no miketrika ny lesoka »

0
Vokatr’ilay horonan-tsary nampiseho ny gaboraraka amin’ny fanaraha-maso eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato dia nanambara ny avy amin’ny polisy miaro ny sisin-tany sy ny habakabaka na ny PAF (Police de l’air et des frontières) fa ireo tokony ho mpiara-miasa amin’izy ireo avy amin’ny SAMADA no matetika voarohirohy.