dimanche 28 avril 2024

Archives quotidiennes: 26 septembre 2018

Fanamboarana Passeport : tsy ahitam-bahaolana, mikatso ny asa

0
Tsy mbola mandeha ny fanamboarana passeport eny amin'ny sampan-draharaha mikarakara izany eny Anosy. Raha ny fanadihadiana natao, tsy mbola vita ny milina manamboatra.

Lalana atody – Mahitsy : tsy manaiky ny fandrodanana trano ny vahoaka

0
Tsy manaiky ny handrodanana trano ireo mponina ao amin'ny fokontany Antandrokomby, kaominina Mahitsy. Trano izay tsy maintsy harodana noho ny fanitarana sy ny fanamboarana ny lalan'ny atody raha ny fanazavan'ny ben'ny tanàna.

Kaominina Mahitsy : delestazy hatrany amin’ny hopitaly

0
Lasibatry ny fahatapahan’ny herinaratra maharitra ora maro ny hopitalin’i Mahitsy tao anatin’ny andro vitsy izao. Tsy mizotra araka ny tokony ho izy manoloana izany ny asa fitsaboana hoy ireo mponina, efa maro ihany koa ny fahasarotana sy ny loza aterak’izay raha ny fanazavana hatrany.

Fifidianana Filohampirenena : miseho izay nafenina

0
Tsy mampiombona ny fifidianana fa fifaninana ka samy manao izay ho afany ny rehetra. Iray volana mahery kely sisa, miseho lany ny fanatsatsoana isankarazany miaro fanapepoana ireo mpomba ny hafa ary ny fiandrasana kendri-tohina. Hanao ahoana tokoa io fifidianana Filohampirenena mialohan’ny fotoana amin’ny faha-7 novambra io ?