dimanche 28 avril 2024

Archives quotidiennes: 25 septembre 2018

Fihaonana an-dapa

0
Taorian'ny fihaonana teo amin'ny mpitarika ny antoko TIM sy ny filoha mpisolo toerana Rakotovao Rivo. Hamondrona hery ve sa inona no tanjona? Matahotra an'iza amin'ny fifidianana? Ireo no isan'ny mametra-panontaniana ny fiarahamonim-pirenena

CENI

0
Raha ny tatitra azo, nitombo avokoa ny tahan’ny mpifidy amin’ny faritra rehetra eto Madagasikara. Nisy ankilan’izay ny lesoka tamin’ny lisi-pifidianana araka ny Audit nataon’ny OIF na ny Organisation Internationale de la Francophonie, na teo aza ny faneken’izy ireo ny fampiasana ity lisitra ity amin’ny fifidianana ho filohampirenena.

HCC

0
Tsy maintsy manana filohampirenena vaovao I Madgasikara amin’ny faha 25 janoary 2019. Tsy azo atao ny mampihemotra ny fifidianana filohampirenena izay efa fantatra tao anatin’ny 5 taona fa ho tanterahana amin’ity taona ity. Io no nambaran’ny filohan’ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana androany taorian’ny atrikasa androany tetsy Antaninarenina niarahana tamin’ny CENI sy ny OIF.

Fianarana ambany kily

0
Sekoly maro eto Madagasikara no tsy ahitana efi-trano fianarana, toa ny EPP Mangotroke sy ny EPP Manganimaraha any amin'ny faritra Atsimo Andrefana. Etsy ankilany, "tablettes" aman'aliny no nozarain'ny ministeran'ny fanabeazam-pirenena tao anatin'ny efa-taona. Inona no laharam-pahamehana, fizarana tablettes sa fanamboarana efi-trano fianarana hoy ny ray aman-drenin'ny mpianatra?