dimanche 28 avril 2024

Archives quotidiennes: 24 septembre 2018

Edito du 22 sept

0
Na inona na ahoana no ambara, dia misy zava-mandringa eto amin’ny firenena matoa misy dina mipoitra amin’ny fiatrehana ny fifidianana amin’izao ankatoky ny fiatrehana fifidianana Filohampirenena izao. Efa misy mikotrika zavatra hafahafa tsinjo ve any ho any, no nahatonga ny CFM namolavola dina ifampifehezan’ny samy kandidà sy ireo mpomba azy ?

Fokontany Ampandrianomby : renim-pianakaviana hita faty nihantona

0
Trangam-piarahamonina, renim-pianakaviana manodidina ny 29 taona no hita faty nihantona tetsy Ampandranomby Tsarahonenana androany tokony ho tamin’ny 6 ora maraina. Raha ny fanadihadiana natao, tsy nahitana ratra ny tenany ary bola tazana teny an-kodiny avokoa ny vola sy ny firavaka samihafa.

Mpiasan’ny SIRAMA teo aloha sy ny SASM : mihenjan-droa ny tady

0
Mihendran-droa ny tady eo amin’ny SASM na ny Société Agricole et Sucrière de madagascar sy ny mpiasan’ny SIRAMA ao Brickaville. Nambaran’ireo mpiasa fa tsy ekena ny fanararaotana sy ny fanapotehana ny orinasa SIRAMA ao Brickaville. Miantso ny tomponandraiki-panjakana isan-tokony hijery akaiky ny raharaha ny mpiasan’ny SIRAMA.

Seranampiaramanidina Ivato : valizy 2 feno sokatra tafavoaka

0
Gaboraraka ny seranampiaramanidina eny Ivato. Valizy 2 feno sokatra no tafavoaka soamantsara tsy nisy arakaraka. Ho entina aminao ato anatin’ity fanadihadiana ity ny sary rehetra manaporofo izany.