dimanche 28 avril 2024

Archives quotidiennes: 22 septembre 2018

Minisitera sasany : atao fitaovana politika ?

0
Herinandro vitsy mialohan’ny hanombohan’ny fampielezan-kevitra. Araka ny loharanom-baovao mari-pototra, misy minisitera amin’izao fotoana izao ataon’ny mpanao politika fitaovana fakam-bola hamatsiana fampielezan-kevitra kandidà ho Filohampirenena.

Fanaovana hosoka amin’ny fadin-tseranana: voatonona indray i Mbola Rajaonah

0
Orinasa maro an’I Mbola Rajaonah, mpanolotsaina manokan’ny filohampirenena teo aloha Rajaonarimampianina, no voasaringotra amin’ny resaka hosoka amin’ny fadintseranana. Manamafy ny ahiahy ireo lanjan’ny entana afarana izay hita ho mihoa-papana raha ny fanazavana.

Faktiora – vidin’ny rano ao Betafo Antsirabe : mahatratra hatramin’ny 6 hetsy ariary ny iray volana

0
Aman’hetsiny ariary isam-bola ny vidin-drano aloan’ny ankamaroan’ny mponina ao amin’ny Distrikan’I Betafo, kominina ambonivohitra tato anatin’ny volana maro. Fiakarana miopapana izay ambaran’ny mpanjifa tsy manara-dalàna. Nohon’ny fifandirana eo amin’ny mpanjifa sy ny mpamatsy rano, ahiana hiteraka korontana any an-toerana ity olan’ny rano ity.

Fokontany Ankadindratombo : vehivavy iray tapa-denda nofirain’ny vadiny tamin’ny antsy

0
Trangam-piarahamonina kosa indray, vehivavy manodidina ny 20 taona no maty notsatoan’ny vadiny tamin’ny antsy tao amin’ny fokontany Ankadindratombo. Raha ny fanadihadiana natao, goraobaky ny antsy tanteraka ny faritry ny tendanyn nahitana dian’antsy ihany koa ny faritry ny tanany. Ialana tsiny mialoha ho an’izay mety ho tohina amin’ny rakin-tsary.