samedi 27 avril 2024

Archives quotidiennes: 3 septembre 2018

GAB

0
Raha toa ka fiarovana no tadiavina amin’ny fametrahana ny tahirin’ny mpanjifa any amin’ny banky. Miteraka tsy fifampitokisana ary famitahana olona kosa, hoy ireo mpanjifa ny fomba fiasan’ny banky sasany misy eto amintsika. Misy amin’ireo milina mpamoaka vola no tsy mamoaka vola kanefa mihena ny tahiry ao amin’ny kaonty. Tsy afa-po amin’ny fomba fiasa tahaka izany ireo mpanjifa.

HCC

0
Namoaka fanampiny amin’ny lalàna fehizoro laharana faha-2018 008 momba ny fifidianana sy ny fitsapakevi-bahoaka ny faha-30 aogositra ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana.

Hiaraka isika

0
Anisan’ny antoko politika iray mivondrona ao anaty ARMADA nanaja ny teny nifanarahana amin’ny fanolorana kandida tokana amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny antoko HIARAKA ISIKA izay tarihin’ny Jeneraly Camille VITAL. Ny faha 30 ny volana Aogositra, nanao fanambarana hanohana ny kandida Andry RAJOELINA ity antoko ity.

OMNIS : ahiana hisy korontana eo anivon’ny orinasa.

0
Ahiana hisy korontana eo anivon'ny OMNIS amin'izao fotoana noho ny fitsabahana andraikitra ataon'ireo tomponandraikitra sasany. Tsy araka ny fampanantenana nomena no mitranga ary voalaza fa nisy fanodikodinana vola sy fitaovana tao amin’ny orinasa saingy tsy nisy fandraisana fepetra mifandraika amin'izany.